Ao an-tokantrano no sekoly voalohany ho an'ny ankizy, noho izany dia miainga ao anivon'ny fianakaviana ny fanabeazana. Fanabeazana miainga amin'ny fifampiresahana, amin'ny fanoroana ny ankizy mba handray andraikitra ary hifanakalo hevitra, ireny dia fomba hahaizan'ny tanora manao ny safidy sy miatrika ny vokatry ny safidiny. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
Mety hiteraka fahafatesana eo am-piterahana ny fitondrana vohoka aloha loatra. Ny fitondrana vohoka aloha loatra dia antony hialan'ny tanora amin'ny fianarany satria miteraka henatra sy tsy fifantohana ny tranga. Ny fiainana ny fahadiovana dia sady voninahitra ho an'ny tena no voninahitry ny fianakaviana no sady fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra ihany koa satria tenimpolin'ny Fanahy Masina. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
Vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola dia maro ny tanora voasarika amin'ny filan'ny nofo, mety ho tonga ho amin'ny vohoka aloha loatra ireny. Tena zava-doza ho an'ny reny sy zaza ny fitondrana vohoka aloha loatra satria lasa misy olana eo amin'ny fianakaviana, fiaraha-monina ary ny firenena. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
Tokony hampidirina ao an-tsain'ny tanora fa Masina sy Voatokana ny firaisana ara-nofo ka tsy azo hatao alohan'ny fanambadiana. Masina satria voajanahary izay fifamenoin'ny lahy sy ny vavy ho fanohizana ny asa-pahariana nataon'Andriamanitra. Ireo tanora lahy sy vavy miroso amin'ny firaisana ara-nofo dia tokony hizaka ny vokatry ny safidiny. Herisetra ny fanararaotana ara-nofo. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco