Jesoa no mpampianatra voalohany indrindra ny fibanjinana. Tsy banga teo amin'ny fianany ny fotoana, ny toerana, ny fahanginana, ny fiombonam-pitiavana vokatry ny fibanjinana, ary nahazoany hery niatrehana ireo sedra, fanenjehana, fakam-panahy isan-karazany, afaka nitahiry ny hatsaran'Andriamanitra tao aminy hatramin'ny farany Izy. Ny fiombonana tsy tapaka tamin'Andriamanitra no tsiambaratelony... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Ny maha mpibanjina dia tsy miankina amin'ny maso fa amin'ny fo. Eo no idiran'ny vavaka, tahaka ny mason'ny finoana sy ny fitiavana, tahaka ny sento, sentom-pifandraisantsika amin'Andriamanitra. Manadio ny fo ny vavaka, rehefa madio ny fo dia mazava sy madio ny fomba fijery, mahita ny zavatra rehetra amin'ny fijery vaovao. ... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Ny fahafahana mibanjina dia tahaka ny "sira" manome tsiro ny fiainana : manome tsiro ny tontolo andro ; satria afaka mibanjina amin'ny alalan'ny fahitana, sy ny fandrenesana famakiana boky. Ny mibanjina dia "tsy fomba fiasa" fa "fomba fiainana"... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Ny hoe mibanjina dia mijery, mahita amin'ny maso-panahy, misy tantara banjinina, izay mazàna dia tantaran'i Jesoa ao amin'ny Vaovao Mahafaly. Ny fomba fivavahana no manampy amin'ny fanakarana sy fifantohana amin'ny vavaka izay atao. Ny fibanjinana dia tokony hisy fanomanana tenin'Andriamanitra, vavaka fiomanana, fanomanana toerana ary vavaka fangatahana. Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco