Mahasadaikatra ireo ray aman-dreny ny miresaka amin'ny zanaka indrindra ny ankizivavy ny resaka momba ny fananahana satria mahamenatra sy heverina ho teny ratsy (tabou). Mafy loatra ny tosiky ny teknôlojia ka ireny dia isany mahadiso hevitra ny tanora sy ny ankizy izay heverin'izy ireo ho marina sy azo atao avokoa. Ny fifanoroana samy ankizy ihany koa izay diso ny ankamaroany. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Misy antony maro no mampitombo isa ireo tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana : Ara-tsôsialy sy ara-toekarena dia eo ny fahantrana izay mandrisika ny tanora hitady vola amin'ny fomba tsy mendrika ; eo koa ny fandrosoan'ny siansa izay mandrisika ny tanora hiroso amin'ny firaisana ara-nofo ; ary ny lehibe fa tsy kely dia ny tsy fahampian'ny fahalalana na fahaizana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Ny fitondrana vohoka dia lalana ara-boajanahary hanohizana ny famindrana aina eo amin'ny olombelona vokatry ny fihaonan'ny tsirinaina lahy sy vavy. Ilàna fahavononana ny fitondrana vohoka izany hoe ara-tsaina, ara-batana. Raha vao tonga fotoana ny tovovavy dia afaka mitondra vohoka na tsy mbola tomombana aza ny taova rehetra, izay ilay atao hoe tanora miteraka aloha loatra. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Fototry ny safidy ny hatsaram-panahy. Tsy iray andro ny mariazy, mila mizaha toetra mandritra ny fifamofoana. Tsy izay rehetra mitory fitiavana dia ekena avokoa. Mety hamotika tsikelikely ny fifandraisana ny resaka kolo-tsaina. Mety hamotika tsikelikely ny fifandraisana ny resaka kolo-tsaina. Ny mariazy dia tandindon'ny fifankatiavana mandra-maty, fankatoavana ny andraikitra feno. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...