Alohan'ny fahafito taonany ny zaza dia efa mahazo sary ny vatany : ny tsy fitoviana eo amin'ny vavy sy ny lahy. Rehefa feno 7 taona ny zaza dia efa manomboka mitombon-tsaina ka afaka mampitombo miandalana ny fitiavany te hahalala zavatra maro : fotoana hidiran'ny an-tsekoly. Rehefa miditra amin'ny fahamaotina ny tanora dia te handray anjara feno amin'ny fiainany ary tia mifanakalo hevitra. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
Tsy ny toe-batana ihany no misy fiovàna lehibe eo amin'ireo tanora fa amin'ny fitiavana indrindra no hisehoany eo amin'ny filan'ny nofo. Eo amin'ny faha-14 taonany ny zazalahy no mahatsapa ny filàna fahafinaretana, indrindra manodidina ny taovam-pananahany, ; ny zazavavy kosa dia mandre izany amin'ny vatany manontolo ary mora miontana mihitsy amin'ny alalan'ny fifampikasohana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
Tsy misy fakam-panahy miseho amin'ny endrika ratsy izany fa tsara sy manintona mandrakariva. Mila mandinika tsara ny tanora hiroso amin'ny fanambadiana, mety vokatry ny fakam-panahy mantsy izany fa tsy tena fitiavana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
Ny fakam-panahy dia tena misy ary mambabo fa miankina amin'ny tsirairay ny mandresy azy. Ny endriky ny fakam-panahy dia mety ho olona manam-pahefana, manam-bola, manana bika aman'endrika mambabo fo. Raha te ho lasa lavitra dia mila miezaka mandresy ny fakam-panahy. Tsy entam-barotra akory ny vatan'olombelona fa tempolin'ny Fanahy Masina ary manana hasina. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco