Ny finoana dia fahasahiana miantso an'Andriamanitra, ary ny tsy fahampian'ny finoana dia ny faharerahana miantso. Ny olona tsy manam-pinoana no miaritra ny olana amim-pahanginana, anatin'ny vavaka no vahaolana. Ny olona manam-pinoana dia olona manam-paharetana tahaka an'i Bartime. Ny voary rehetra dia mangetaheta an'Andriamanitra daholo, ary samy miantso sy mitady ny vonjy avy Aminy avokoa. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

Afaka miezaka foana isika ary afaka manomboka fiainana vaovao amin'ny fitiavam-bavaka. Aza matahotra miantso an'Andriamanitra ; ny fibebahana no hanombohana azy. Izay maniry hahazo fahasoavana dia milofo sy miezaka hatramin'ny farany, maharitra mivavaka. Ilàna finoana mari-pototra ny mivavaka ; hoy mantsy i Jesoa tamin'i Bartime "ny finoanao no nahavonjy anao". Ny finoana dia isika sahy mivavaka amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

Maro ny sakana mahatonga ny olona tsy ho afaka mivavaka. Misy ohatra ny fahajambana no manahirana azy, kanefa raha ny maso no nanahirana dia misy fomba hafa toy ny fampiasana ny sofina. Samy manana ny sakana tsy hahafahany mivavaka ny tsirairay ; mety ho olona no manakana, mety ho ny fotoana, na asa, na fahazarana sy fiankinan-doha amin'ny zavatra. Tsy mitovy ny hoe "kamo mivavaka" sy ny tsy manam-potoana. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

Ireto misy fomba fiteny mampiseho ny maha zava-dehibe ny vavaka : ny vavaka manova zavatra ; hafa ihany ny mivavaka ; mitolona am-bavaka ; tsy misy tsy hain'Andriamanitra atao ho an'izay mino ; fara hery sisa ny vavaka ; midika izany  mahavita zavatra tsy takatry ny herintsika Izy Andriamanitra ary tena henon'Andriamanitra ny vavaka ataontsika. Misy ezaka ny fitadiavana an'Andriamanitra, tsy azo atao ny mora kivy. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...