An'ny daholo be ny harena, natokon'Andriamanitra ho an'ny rehetra. Amin'ny maha avy amin'Andriamanitra ny harena dia tsy tompony ianao fa mpitantana izay hananao. Ilaina ny fisian'ny fitsipi-pifehezana mba hahafahana miaina ny zo ary manangana tontolo ara-drariny. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Ilaina fantarina tsara ny atao hoe soa iombonana. Tsy misy afa-mialangalana, fa tsy maintsy samy manao araka izay vitany manoloana ny soa iombonana. Tsy misy fampandrosoana rehefa tsy  hihevitra ny soa iombonana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Mamolavola toromarika ara-politika ny fiangonana. Voizin'ny fiangonana ny hasin'ny maha-olona, ny soa iombonana. Ny fifanampiana tsy misalovana andraikitra, zava-dehibe ny soa iombonana izany hoe ho an'ny daholobe ny harena. Mila ezaka miaraka ny soa iombonana ary eo no hisehoan'ny firaisan-kina. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Kristy tsy manilika fa ny olona no manava-tena. Ao amin'i Jesoa Kristy irery ihany no misy antoka ho amin'ny fahafaham-po. Apetraho ho loha-laharana amin'ny zavatra rehetra Andriamanitra, katsaho aloha ny fanjakany dia hanampy anao izy. Ialao ny fialonana sy ny fitsiriritana fa meteza halala-tanana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...