Ho fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny zokiolona, ny raibe sy ny renibe dia manana adidy isika mba hiahy sy haneho fitiavana ireo sokajin'olona ireo. Nanomboka tamin'ny taona 2021 no nisian'ity fanamarihana ity andro ho fanomezan-danja ireo zokiolona, ankalazaina isan-taona, ka alahady fahefatra amin'ny volana jolay no hanaovana azy. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka misahana ny fianakaviana, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Tsy afaka misaraka ny safidy sy ny fitiavana. Ny safidy dia isan'ny fanomanana ny olom-pirenena. Ny olom-pirenena no fototra maha firenena ny firenena iray. Mijanona ho vahoaka fotsiny ny ankamaroan'ny olona +18 taona fa tsy tsy mahatsiaro tena mihitsy ho olom-pirenena. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny tranga rehetra mifandraika amin'ny tsingerin'ny fadimbolana dia tokony ho fantatry ny vehivavy amin'ny ankapobeny. Ny ahafantarana fa hitsahatra ny fadimbolana : manomboka amin'ny faha-45 taona amin'ny ankapobeny, mihalava ny fiverenan'ny fadimbolana, mafana tampoka ilay vehivavy, marary andoha tampoka, vizaka tampoka, tsy taitra amin'ny firaisana ara-nofo intsony... Tsy aretina ny fitsaharan'ny fadimbolana fa toe-batana maha vavy. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Manomboka ny talata 9 hatramin'ny 12 jolay 2024, dia hisy ny hetsika fanaovana vaksiny faobe ; ny vaksiny "polio" dia isan'ny hatao mba hisorohana ny fihitaran'ny aretina izay tsy misy fanafodiny. Ny "arthrose" dia mpahazo ny olona 40 hatramin'ny 50 taona ary ny vehivavy no maro mararin'io. Io aretina io dia vokatry ny fahasimbana eo amin'ny vanin-taolana, manaintaina...  Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Miezaka manatratra ny fanamby napetraka hanofana olona iray tapitrisa mandritra ny 5 taona ahahafehy ny fomba fambolena Pfumvudza ny ao amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny ONG PPC Madagascar. Ahitam-pahombiazana mantsy ny vokatra azo tao anatin'ny taom-pambolena iray raha y zava-misy ao amin'ny vala tahaka tety Ivato.

Ny 11 jolay dia natokana hankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny mponina, izay mitazona anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana, satria sady mpisitraka izy no mpanatanteraka io fampandrosoana io. Araka izany dia ilaina ny fananana mponina ampy fanabeazana, ampy fahalalàna, manana sy manaja ny soatoavina, salama, miaina anaty fandriam-pahalemana... Ny fampandrosoana dia andraikitry ny tsirairay sy ny daholobe, fa tsy miankina manokana amin’ny olo-tokana samirery na vondron’olona.  Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny hoe mahatarika dia ianao mahay miara-miaina aman'olona, izay olona samy manana ny maha-izy azy ; tsy ianao no mibaiko sy manery ny hafa fa misy toetra mahatarika ny olona, izay voajanahary ao aminao, mifototra amin'ny fifampatokisana. Ny mitondra dia manana tanjona tiana tratrarina, ary ampitainy amin'ny ireo olona entina, izany hoe tompon'andraikitra tanteraka amin'ny fahatratrana ny tanjona sy ahazoana vokatra, mifotra amin'ny baiko sy lalàna, azo adika hoe fahefana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mivelona amin'ny fambolena sy ny fiompiana ao anatin'ny Distrikan'i Faratsiho Faritr'i Vakinankaratra i Nantenaina Casimir. Niofana manokana momba ny fitsaboana izy saingy nisafidy ny ivelona amin'ny fambolena sy ny fiompiana. Tanora nanovo fahalalana tao amin'i Papa Bio na Ranaivoarison Basil i Nantenaina Casimir. Kankana 2 tanana teo ho eo tao amin'i Papa Bio no niatombohany, roa taona lasa izay.

Ny fanabeazana atao amin'ny taranaka ankehitriny, dia mba hanohy hatrany ny fikarakarana ny tanindrazana nimpoiran'ireo ray aman-dreny, indrindra ny ray. Ny voalohany amin'ny fanabeazana dia ny fampahafantarana ny zanaka ny tantaran'ny tanàna niavian'ny ray. Ny loha-hevitra amin'ny fankalazana ny fetim-pirenena amin'ity taona 2024 ity dia isan'ny maneho izany : "Madagasikara mandroso, Malagasy miara-mientana amin'ny fitiavana ny tanindrazana" ... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mety hanimba ny hoditra ny fampiasana fanafody tsy voalanjalanja. Ny mahatonga ny hodipotsy dia "champignon" na "levure" izay efa mipetraka sy miaina amin'ny faritry ny hoditra, ka rehefa feno ny fepetra dia mivadika ho "patogène" izy, ka io ilay hodipotsy. Ireo fepetra ireo dia ny hamandoana sy ny hafanana no mampirongatra azy, eo koa ny fidinan'ny hery fiarovana, havizanana, fitondrana vohoko, tsy fahampian'ny vitamina E-A-D. Ny hodipotsy dia tsy mangidihidy...  Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 2 taona. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombotsoa ny mpitarika Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...

Fahatomombanana ara-pahasalamana mandritry ny Kongresy Eokaristika Nasionaly : fotoana iray lehibe hihaonan'ny olona maro ny kongresy, ilaina ny fiomanana mialoha ary antoka lehibe amin'ny fahatanterahan'ny hetsika ny fahatomombanan'ny fahasalamana. Manomboka any amin'ny toerana hiaingan'ny mpandray anjara tsirairay ny fiomanana satria izay tsara fiomanana tsy tapohin-doza. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka misahana ny Fahasalamana eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...