Mitàna anjara toerana lehibe amin'ny rohy voahary natoraly (écosystème naturel) ka miantoka ny ho avin'ny harena voajanahary ny kijàna, saingy tandindomin-doza ankehitriny. Asa raha fantatrao fa kijàna, ahitàna ireo karazana bozaka aman'ahitra isan-karazany, ny 65% amin'ny velaran-tanin'i Madagasikara...
Miisa 541 ny isan'ny bozaka amin'ireny kijàna ireny eto Madagasikara ka ny 217 amin'ireo tsy hita raha tsy eto amin'ity nosy ity ihany, indrindra fa ho an'ny eto afovoan-tany sy ny ilany andrefan'ny nosy. Maro ny andraikitra sahanin'ny kijàna. Toeram-ponenan'ny zava-manan'aina, mitahiry ny entona karbôna ambanin'ny tany, toerana firaofan'ny biby miraoka ahitra, mitazona ny nofon-tany tsy ho kahon'ny riaka ary miantoka ny raok'andro betsaka ihany koa.
Manana bozaka miavaka isika eto Madagasikara hoy hatrany ny mpikaroka ary azo ampiasaina amin'ny sehatr'asa maro. Tandindomin-doza anefa ny ho avin'ny kijàna noho ny tsy fahalalan'ny maro ny andraikitra tanàny amin'ny rohy voahary sy ny tontolo iainana.
Isan'ny mamotika azy ny doro tanety hoy ny mpikaroka ka mila fandraisana andraikitry ny rehetra. Toa izany koa ny hetsika fambolen-kazo eny amin'ny kijàna. Tsy ho vitan'ny ala mantsy ny asa ataon'n kijàna amin'ny rohy voahary hoy ramatoa Njara, mpikaroka voalohany momba ny bozaka eto Madagasikara.