Nahazo tohana ara-pitaovana ampiroboroboana ny fiompiana sy ny famokarana tantely ao aminy ireo tantsaha nisitraka fiofanana ao amin'ny Fikambanana Filamatra Soa Iombonana na ny FISOI ao amin'ny Kaominina Mahintsy sy ny Soa Mitsinjo ao amin'ny Kaominina Antanetibe-Mahazaza ato amin'ny distrikan'Ambohidratrimo...

Ny fadim-bolana dia toe-javatra iray iainan'ny vehivavy ary tafiditra ao anatin'ny fitombony ara-boajanahary. Raha atao ny kajy dia 7 taona no fitambaran'ny andro hisian'ny fadim-bolana, ao anatin'ny fiainany ny vehivavy iray. Maro ny hevi-dso sy finoanoam-poana ary tsy fahalalana manodidina izany hany ka mahaonga fanavakavahana sy fanilikilihana azy ireo, ka miteraka ny fanitsakitsahana ny maha-olona. Koa ilaina noho izany ny fampahafantarana sy ny fanabeazana. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny hatavezana dia sokajiana ho aretina na soritr'aretina, izay hanaovana tatitra any amin'ny Ministeran'ny Fahasalana isam-bolana ; izy ity dia fiangonana tavy mihoatra ny ara-pahasalamana amin'ny faritry ny vatana. Ny tavy "tissu adipeux" dia miaro ny olona amin'ny dona sy ny mitazona hafanana amin'ny vatana. Ny antony mampatavy : miihinana sakafo matavy anefa tsy ampy fihetseham-batana, toy izany koa ny siramamy, hitakitana, fanafody... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Nisitraka fiofanana momba ny fitantanana ny rano ireo tanora anatin'ny fikambanana FISOI sy SOAMITSINJO mivondrona ao amin'ny Réseau SOA. Fiaraha-miasa eo amin'ny tambazotra iraisam-pirenena misehatra amin'ny fampiofanana amin'ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR no ahafahana mamolavola ireto tanora ireto...

Anisan’ny mbola hamaivanin’ny olona ny fahasalamana ara-tsaina raha ny eto Madagasikara. Tranga mety hiseho amin’ny olona rehetra anefa ny aretina ara-tsaina. Ny fahasalamana ara-tsaina dia misy fiantraikany mivantana amin'ny fiasan'ny tsirairay sy ny fiaraha-monina, manamarina ny maha-zava-dehibe ny hetsika alohan'ny olana mba hampiroboroboana ny fahasalamana ara-tsaina. Ny fahasalaman'ny ara-tsaina dia fahafahan'ny olona iray manatanteraka ny vinany sy miatrika ny trangam-piainana, ahafahana miasa. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey 2024, zo sy adidy ny mifidy. Raha olom-pirenena manana kara-panondro ianao dia mandehana manatanteraka ny adidy sy andraikitra amin'ny fampandehanana ny firenentsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny reny sy ny andraikiny, momba ny fanabeazana, manoloana ny zava-misy ankehitriny dia miatrika fanamby lehibe ary miteraka fahasahiranana. Ny fidangan'ny vidim-piainana, ny fipariahan'ny zava-mahadomelina, ny herisetra toy ny fanolanana, ny fisian'ny kolikoly amin'ny sehatra rehetra dia isan'ireo mahasarotra ny andraikitra momba ny fanabeazana iantsorohan'ny reny. Ny tosikin'ny teknôlojia sy ny fiovan'ny toetr'andro dia misy akony amin'ny fanabeazana ihany koa. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Misy fiantraikany amin'ny vatana sy ny fahasalamana ny tsy fahampian'ny torimaso : mety hanana olona amin'ny fitadidiana, kizintina, tsy ampy fifantohana... 24 ora ny faharetany andro iray : 8 ora hiasana, 8ora hatoriana, 8 ora hanaovana zavatra hafa. Ny faretan'ny torimaso ara-pahasalamana 7 - 8 ora ho an'ny olon-dehibe. Misy tsingerina maromaro ao anaty torimaso : ny rendremana ; ny torimaso lalina ary ny torimaso feno izay misy ny nofy tadidy rehefa mifoha. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Hapetraka ho faritra arovana ny ala tapia ao amin’ny kaominina Arivonimamo faharoa sy Miarinarivo faharoa ao amin’ny faritr’i Itasy. Misedra fahasahiranana amin’ny fiarovana ny ala mantsy ny vondron’olona ifotony mitantana ny ala manoloana ny fandripahana amin’ny endriny samihafa...

Ny fiainan'ny mpivady dia voafaritry ny zavatra maromaro ka ny firindrany dia vokatry ny fifampitondrana sy ny safidy ataony. Isan'ireny ny fanapahan-kevitra hanao ny fandrindram-piterahana manaraka ny rafitra voajanahary. Izany dia manosika ny mpivady hifanakalo hevitra matetika, hifankafantatra ny toe-batana misimisy kokoa. Noho izany ny fifampiresahana mialohan'ny fanapahan-kevitra sy ny fiainana ny safidy niaraha-nanapaka dia simenitra manamafy ny fifankatiavana. Mitaky fandraisana andraikitra hatrany ny safidy izay atao, anisan'izany ny fitsinjovana ny ho avin'ny tokantrano sy ireo taranaka. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny atao hoe lefakozatra dia aretina mifindra, azo avy amin'ny tsimok'aretina polio, izay mety mahatonga fahalemena tampoka, manome takaitra mandramaty, ary mety mahafaty. Ny fifindrany dia amin'ny alalan'ny sakafo tsy madio, tanana misy tsimok'aretina. Ny zaza tsy vita vaksiny na tsy ampy fatra ny vaksiny natao taminy no mety hanaparitaka na hararin'ny lefakozatra. Ny tay miparitaka no manaparitaka ny tsimok'aretina eny amin'ny tontolo iainana. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ity taona ity, zo sy adidy ny mifidy. Ny safidy dia zava-dehibe ary fototry ny ho avy koa samia miezaka ho tony sy hisaina tsara izay mety hampandrosoana ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...