Alahady fankalazana ny Trinite Masina : Antsoin'Andriamanitra hiray fianakaviana aminy isika ; Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy. Tian'ny Eglizy hamafisina amin'izao fankalazana izao ny Misterin'ny Trinite Masina. Hoy Md Anthanase : Raha Andriamanitra takitry ny sain'olombelona dia tsy Andriamanitra marina ; hoy Md Tertullien : ny Trinite dia avy amin'ny teny roa "Tri" sy "Unité" izany hoe telo fa iray. Mila mpampianatra katesizy ny Eglizy, mila vavolombelona hampivelatra ny finoana. Andrasana amintsika Kristiana ny hitovizantsika amin'ny Andriamanitra ray, Zanaka, Fanahy Masina : mifameno, mifankatia...

Maro ny hevi-diso voarain'ny tanora momba ny firaisana ara-nofo, indrindra mialohan'ny fanambadiana : hevi-diso ho an'ny vehivavy ny hoe tokony hanao firaisam-batana ny zazavavy raha tsy te ho momba rehefa lehibe ; tsy mitombina mihitsy ny hoe tokony hampiasàna ny taovam-pananahana mba hitombo hery. Ny lalao mikasika ny filàn'ny nofo dia fahotana satria milalao aina. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Ireny kilalaon'ny nofo hahazoam-pahafinaretana ireny dia mihazona izay manao azy ho zaza saina lava satria araka ny efa voalazatsika ihany, ny atao hoe olon-dehibe ara-tsaina dia izay afaka mifandray aman'olona ka tsy mihevitra azy ho toy ny fitaovana hahazoana fahafaham-po fotsiny. Ho an'ny Kristiana dia mifanohitra amin'ny fitiavana ny fanaovana kilalaon'ny nofo. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

28 mey 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 28-31)

27 mey 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-27)

26 mey 2024 — Alahady, Ny Trinite Masina — Fankalazana manetriketrika — Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 16-20)

Ny fampirafesana no fototry ny fisarahana satria te hamaly faty hatrany ny iray ary tsy miraharaha ny fikarakarana ny tokantrano intsony. Fantaro mialoha sy ataovy antsaina fa olombelona ilay " tinao sy milaza ho tia anao " fa tsy anjely noho izany mora miova hevitra, manana fetra, osa sy malemy, be kilema. Rehefa mahita ny lafy ratsiny amin'ny toetra ny mpifankatia dia teraka ho azy ny fisarahana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Tahaka ny fananan-javatra maromaro ihany ny fananam-bady maromaro ; noho izany ny karazam-piraisana ateraky ny fampirafesana dia mampitovy ny olona iray amin'ny fananana na fitaovana fa tsy mba firaisana feno sy lalina ary manontolo. Ny vehivavy tsirairay dia samy maniry hanana ilay lehilahy ho azy irery manontolo fa tsy iombonany amin'ny hafa, izay tsy ho lavorary raha tsy marina ny itiavana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Ny andrakandram-piraisana alohan'ny fanambadiana dia tsy tsara velively hiomanana amin'ny fanambadiana. Amin'ny ankapobeny ny tanora dia samy tia andrakandrana avokoa saingy ny zazalahy no somary lasa aloha toy ny mifoka sy misotro, firaisana amin'ny zazavavay , irety farany kosa dia ny tahotra no lasa aloha na entim-pilàna ihany aza. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Mila fehezina ny faniriana hitady fahafinaretana amin'ny tena ; diso ny fiheverana fa ahafahana miala amin'ny filàna fahafinaretana avy amin'ny tena ny fisakaizana amin'ny olona iray, indrindra ny firaisana sy ny kilalao hahazoam-pahafinaretana hafa. Ny maha tanora sy ny maha olon-dehibe dia ny fahaizana mifandray amin'ny hafa, tsy mampiasa azy ho fitaovana fakàna fahafinaretana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Ny pantekôty dia isany fotoana lehibe ho an'ny Kristiana, ary mandrisika ny tsirairay handeha hikonfesy matetika, isaky ny herinandro, araka ny voalaza ao amin'ny Konsily " trente". Mba hananana fiadanana eo amin'Andriamanitra sy amin'ny samy olombelona dia ny konfesy no fototra. Ny fahafantarana ny didy folo no isany azo afahana mandini-tena, manampy ny tsirairay amin'ny firosoana amin'ny konfesy. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", fandarahana atao eto amin'ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady fankalazana ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apôstôly sy Masina Maria : Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana ny Fanahy Masina ; Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana. Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Ny fidinan'ny Fanahy Masina dia tsy nijanona tamin'ny andro niainan'ireo Apôstôly sy Masina Maria fa mbola mitohy hatramin'izao, indrindra rehefa miantso ny Fanahy Masina isika amin'ny vavaka atao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...