Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 7, 1-9)

Raha tsy mino ianareo, tsy haharitra.

Tamin’ny andron’i Akaza, zanak’i Jôatama, zanak’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà,
dia niakatra hanafika an’i Jerosalema i Rasima, mpanjakan’i Siria,
niaraka tamin’i Fasea, zana-dRomelia, mpanjakan’i Israely;
nefa tsy nahafaka azy izy.
Nambara tamin’ny taranak’i Davida izany vaovao izany, fa hoe:
Mitoby any amin’i Efraima i Siria.
Tamin’izany nipararetra hoatra ny fanetsiky ny rivotra ny hazo any an’ala
ny fon’ny mpanjaka sy ny fon’ny vahoaka.
Dia hoy ny Tompo tamin’i Izaia:

“Mivoaha ianao sy i Seara-Jasoba, zanakao,
hitsena an’i Akaza eo amin’ny faran’ny lakan-dranon’ny kamory ambony,
amin’ny lalan’ny sahan’ny mpamotsy lamba;
ka ianao hilaza aminy hoe:
‘Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra, ary aza rera-po foana ianao
eo anatrehan’ireo tapa-porohana roa midonaka ireo,
amin’ny fisafoakan’i Resîna sy i Siria, ary ny zana-dRomelia.’
Noho i Siria nihevitra hampidi-doza anao, mbamin’i Efraima sy ny zana-dRomelia nanao hoe:
‘Andeha isika hananika an’i Jodà,
ka hamparaiki-tahotra azy sy hananika azy ary hanangana ny zanak’i Tabeela ho mpanjaka ao’;
noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
‘Tsy ho vanona izany; tsy hisy izany!
Satria efa i Damasa no lohan’i Siria ary i Resîna no lohan’i Damasa;
ka dimy amby enimpolo taona sisa,
dia hitsahatra tsy ho vahoaka intsony i Efraima.’
Ary i Samaria no lohan’i Efraima, ny zana-dRomelia no lohan’i Samaria.
Raha tsy mino ianareo, dia tsy haharitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 47, 2-3a. 3b-4. 5-6. 7-8

Andriamanitra anie hampijoro azy mandrakizay.

Ny Tompo lehibe sy mendri-dera indrindra
ao amin’ny tanànan’Andriamanitsika!
Ny Vohiny Masina; tsara fideza,
fifalian’ny tany tontolo!

Ny Vohitra Siôna: any am-parany avaratra.
Tanànan’ny Mpanjaka lehibe!
Andriamanitra amin’ireo tilikambony
mitomban-ko fiarovana-avo.

Nefa indreny manjaka mivorivory;
dia miara-mandroso.
Kanjo he: mahatazana, midonàka,
mangorohoro, riatra mandositra!

Nihovotrovotra foana teo,
nihararetra toa mpivelona;
toa azon-drivotr’Atsinanana;
irony mahapotika sambon-dranomasina!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 20-24)

Ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidôna ary amin’ny tanin’i Sôdôma noho ny aminareo amin’ny andro fitsarana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro;
satria tsy nibebaka ireo; ka nataony hoe:

“Loza ho anao, ry Kôrôzaina,
loza ho anao, ry Betsaida!
fa raha izay no tany Tira sy Sidôna no natao ny fahagagana natao taminareo,
dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy.
Koa lazaiko aminareo, fa amin’ny andron’ny fitsarana,
dia ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidôna noho ny hatao aminareo.
Ary ianao, ry Kafarnaôma, hasandratra hatrany an-danitra va ianao?
Hietry hatrany amin’ny afobe ianao,
fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao,
dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy.
Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma amin’ny andron’ny fitsarana
noho ny hatao aminao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 febroary 2025

• Nanentana ny kristianina aty Afrika ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, mba hiray hina amin'ny vavaka sy ny fifadian-kanina araka ny fomba amam-panaon'ny tsirairay sy ny fahafahany, ny 3 hatramin'ny 5 marsa 2025... • Notontosaina ny sabotsy 15 sy ny alahady 16 febroary 2025 ny fihaonan'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... • Mampiely hatsarana sy mampiombona ny vahoaka ny zava-kanto, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony ho fankalazana ny Jobilin'ny mpanakanto omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...