16 jolay 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 20-24)

Tsy nitsahatra sy tsy mitsahatra ary tsy hitsahatra hamonjy antsika i Jesoa fa isika no malailay fonosana tsy te handray izany famonjena entiny izany fa minia manapi-maso. Hita taratra izany tamin’ireo tanàna manodidina azy. Fa na nahita ireo fahagagana maro aza tsy nety nibebaka fa ny fanaony ihany no ataony. Hoy i Masindahy Matio eto amin’ity sombina Evanjely ity: “Niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro i Jesoa, satria tsy nibebaka ireo”. Ka rehefa tsy mibebaka koa isika dia ho voateny mafy toy izany. Koa tsy hoe miantso loza i Jesoa izany eto fa miteny mafy ny olona amin’ireo tanàna ireo mba hibebahany. Misy mantsy tsy azo raha tsy tenenina mafy toy izany. Tsy ireo lazaina fa fahagagana misy toy ny amin’ny androntsika ankehitriny izao, ka mahasarika ny sasantsasany hanaraka azy, fa asam-pamonjena notanterahan’i Kristy teto an-tany.

Mitaky fibebahana isan’andro ny fanarahan-dia an’i Jesoa fa tsy iandrasana fotoana lehibe eo amin’ny Eglizy, toy ny Karemy na Fiaviana. Tsy voatery ho tambatambazana foana ny olona fa misy fotoana hitenenana azy mafy toy ny nataon’i Jesoa eto, “satria tsy nibebaka ireo”, na dia efa nanaovana fahagagana maro aza. Misy ny olona mafy fo, tsy laitra hatoro fa ny ao an-dohany ihany. Fitiavana azy anefa izany fa tsy halozana akory. Tsy i Jesoa no miantso loza ho azy fa ny ataony ihany no ho loza raha tsy mibebaka izy.

Mety isika no ho “Kôrôzaina”, sy “Betsaida” ary “Kafarnaoma” amin’ny andro ankehitriny, tsy mandray ny fampianaran’i Kristy Andriamanitra satria tsy mety mino na mandray ny fampianaran’ny Eglizy, izay tenany sy vadiny malalany: mety ho ny tenantsika izany, na ny fianakaviantsika, na ny fikambanantsika, na ny firenentsika no tsy mibebaka ka iharan’ny tenin’i Jesoa eto. Aza maika manilika amin’ny hafa fa aoka samy handini-tena avokoa isika rehetra ka ho tonga amin’ny fibebahana marina. Ho raharaha mantsy ny iharan’ny tenin’i Jesoa hoe: “Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma amin’ny andron’ny fitsarana noho ny hatao aminao.” Aza miandry farany vao hibebaka, aza mangataka andro fa mety tsy hisy fotoanan’izany intsony amin’izany. Manjary ho sahala amin’ny solosaina simba écran sy maty carte mère, vokatry ny virus nanimba azy, isika amin’izany ka ho loza ny hiafarany. Aza mahavoa antsika anie ny toy izany!

Diôsezin'Antananarivo : Fanendrena Pretra (2024-2025)

Notanterahan’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin’ny  alarobia 13 aogositra 2024 ny fanendrena ny pretra ho an’ny asa fanirahana mandritra ny taom-pikatrohana 2024-2025. Misy ireo mbola manohy ny andraikiny teo aloha, misy kosa ireo voatendry hiandraikitra iraka vaovao.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...