Alatsinainy 11 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 21-26 — Raha niara-nitsangana tamin'i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin'izao itoeran'i Kristy eo ankavan'Andriamanitra, no katsaho.
Alahady 10 mey 2020 — Alahady fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-12 — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.
07 mey — Niaina tamin'ny taonjato voalohany i Flavie, zanak’i Domitilla sy Quintus Petillius Cerialis izy ary dadatoany ny amperora Domitien. Nanambady an'i Titus Flavius Clemens i Flavie ary niteraka roa lahy izy ireo. Samy Titus Flavius no anaran’ireo zanany ireo, teraka ny taona 88 ny voalohany ary ny taona 90 ny faharoa, ka i Quintilien no nanabe an'ireo zanany ireo.
Tsy mitovy lanja amin’ny Sakramentan’ny fampihavanana ny famelàna mandritra ny vavaka fifonana amin’ny litorjia, fa manome antsika ny hevitry ny famindram-pon’Andriamanitra tsy misy fepetra.
Sabotsy 09 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 7-14 — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay.
Zoma 08 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-6 — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery amin'ny intsony ny fahafatesana.
06 mey — I Dominique Savio dia ilay tanora salezianina, teraka tao Riva di Chieri tamin'ny taona 1842, tany akaikin'i Turin tany izany. Zaza faharoa amin'ny folo mianadahy nateraky hy ray aman-dreniny izy. Mbola kely dia efa nanana fitiavam-bavaka latsa-paka sy faharanitan-tsaina i Dominique Savio, vao efa-taona monja izy dia efa nahay sy nahavita ny vavaka Angélus, in-telo isan'andro.
05 mey — I Judith dia niaina tamin'ny taonjato faha-13, zanak'olona avy ao Thuringe ao Allemagne izy, ary nanambady Polonais. Niteraka maro izy ireo.
Alakamisy 07 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 16-20 — Nahita Ahy ianao ka nino ; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.
Nandefa taratasy fanentanana ny mpino ny Papa François, hanao sapile mandritra ny volana mai , volan’i Masina Maria. Nisy ihany koa ny vavaka manokana nosoratany hiarahana amin’ny Masina Maria, fitalahoana amin’izao valanaretina izao. Indro àry lahatsoratra feno, voadika amin’ny teny Malagasy:
Alarobia 06 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 44-50 — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin'ny mazava ; isika izay navotany tamin'ny Rany.
04 mey — Eveka tao Gaza i Sylvain, niaina tamin'ny taonjato fahefatra. Olona malemy fanahy sy tia fandriampahalemana izy. Ary dia notanany hatramin'ny fahafatesany ny naha pretra sy naha eveka azy.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco