Anisan'ny nampisongadina ny vavaka ataon'i Jesoa ankoatra ny hoe fananany faharetana amin'ny vavaka, ny fivavahany lalandava, ny fananany herim-po ary indrindra ny fananany fahatokisana ny Ray. Anisan'ny adidin'ny mpisorona ny manolotra vavaka ho an'ny vahoaka an'Andriamanitra, ny mivavaka ho an'ny olona rehetra., eny ho an'ny fahavalo ihany koa... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Teo amin'ny hazofijaliana dia mbola nivavaka i Jesoa izay nahatsapany fa maizina tanteraka ny fiainany ary toa natao azy ny Ray ; na izany aza dia mbola niantso ny Ray foana Izy, vavaka feno herim-po sy fahasahiana io vavak'i Jesoa io satria teo am-piaretana ny mafy ; tsy ho an'ny tenany samirery no ivavahany fa ho an'ny hafa ihany koa, ho an'ny olona rehetra... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Nivavaka toy ny miady aina i Jesoa tao amin'ny sahan'i Getsemania, rentsika tsara ny vavaka nataony tamin'io "Ray o! Raha azo atao, aoka esorina amiko ity kapoaka ity..." Na Andriamanitra aza i Jesoa dia tena nihorohoro sy natahotra ny fahafatesana fatratra tokoa. Mampianatra antsika i Jesoa amin'ny vavaky ny mpisorona mba tsy hisasraka amin'ny vavaka na miady aina aza... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Zava-dehibe ny famolahan-tena eo amin'ny fiainam-bavaka. Hasain'Andriamanitra hibebaka isika, hahay hampifanaraka ny toetrany amin'ny raharaha sahaniny, tokony hatsapa tena ireo manana andraikitra amin'ny fiaraha-monina. Izao Karemy izao no fotoana tsara hialana amin'ny fahazaran-dratsy : kolikoly sy ny fanararaotana isan-karazany, indrindra ireo mpitaky vola eny ifotony ho hetra, ireo mpitantana ara-bola. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady voalohany – taona D, Karemy : Fahafoizana ho an’Andriamanitra ; Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra. Jesoa nalain'ny demony fanahy tany amin'ny tany efitra no resahin'ny Evanjely, ny demony dia antsoina hoe mpampisaraka amin'Andriamanitra. Ny tany efitra dia manambara ny fisitahana, fahanginana, fivavahana, ary manambara ny fisedrana (irery, anoanana, fakam-panahy...). Miala maina ny demony rehefa miankina amin'Andriamanitra sy ny teniny isika. Ny tena harena dia Andriamanitra irery, aoka isika hafoy ny rehetra noho ny amin'Andriamanitra...
I Jesoa Mpisorona mampianatra antsika hivavaka lalandava ary noraisin'ireo mpianany ka amporisihiny antsika mba hivavaka lalandava. Tsy afaka hitonona ho kristianina isika raha tsy mivavaka ary ny fiainam-pinoantsika dia marefo raha tsy mivavaka isika. Io vavaka io no anisan'ny asa voalohany takiana amintsika kristianina hanehoantsika ny finoantsika... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
15 marsa 2025 — Sabotsy, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)
14 marsa 2025 — Zoma, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy— Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)
13 marsa 2025 — Alakamisy, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 7-12)
12 marsa 2025 — Alarobia, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)
11 marsa 2025 — Talata, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)
10 marsa 2025 — Alatsinainy, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Aza manamafy fo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 31-46)
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco