11 marsa 2025 — Talata, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)

Fampianaran’i Jesoa momba ny vavaka no hitantsika misongadina tamin’ny Evanjely teo. Vavaka izay maneho fifandraisana sy fiombonantsika lalina amin’Andriamanitra, fa koa mamaritra ny fomba entina miaina ny maha zanak’Andriamanitra antsika.

Voalohany ampianarin’i Jesoa ny ialantsika amin’ireo vavaka “tsy manana ny hasiny sy ny heriny” satria tsy atao arak’Andriamanitra, vavaka tsy miainga avy amin’ny fo, fa atao fombafomba ivelany fotsiny, na atao lavareny. Inona tokoa moa no antenaintsika raha toa ka toy izany no fomba fivavaka ataontsika? Ny fahatokisana an’Ilay Andriamanitra itodihana, no tokony hanentana voalohany indrindra ny vavaka ataontsika. Ray Andriamanitra, mahalala ny manjo sy ilaintsika zanany. “fantatry ny Rainareo na mbola tsy mangataka aza iananareo.”

Faharoa ny fanoloran’i Jesoa ho antsika ny modely tsara arahina, tsara tahafina, rahefa mivavaka isika, dia “Ny vavaka RAINAY” izany. Io vavaka io no manasongadina ny maha Ray an’Andriamanitra sy ny maha zanany antsika, maneho koa ny zava-dehibe tokony katsahintsika, dia ny Fanjakany. Io vavaka io no mampianatra antsika hanana fitokisana tanteraka an’Andriamanitra, ny iandrandrantsika ny indrafony sy ahafahantsika maneho izany amin’ny hafa, ary ny hahaizantsika mangataka mba hanafahan’Andriamanitra antsika amin’ireo fakam-panahy mitarika antsika tsy itodika any amin’Andriamanitra, tsy hatoky Azy. Fiainana tokoa ho antsika ny vavaka, tsy teny atao fotsiny fa mitaky fanehoam-piainana.

Fahatelo ny tohin’ny vavaka ataontsika, izay tsy mijanona ho teny fa zary lasa fiainana sy toetra mandrindra sy mikolokolo ny fifandraisantsika samy zanak’Andriamanitra, dia ny hahaizantsika mifamela sy hialantsika amin’ireo endrika fakma-panahy mandrava ny fiombonantsika izany.

Mampianantra antsika hivavaka amim-pahatsorana i Kristy anio, mampianatra mba hifototra any amin’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, ary hahatsapantsika koa fa ny famelan-keloka dia zava-dehibe mikolokolo sy mandrindra ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy amintsika samy isika.

Enga anie izao taon-jaobily, taom-pahasoavana diavintsika izao, mba hanamafy ny fiainam-bavaky ny tsirairay, ary mba hitondra fihavaozana koa ho an’izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 marsa 2025

• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...