12 marsa 2025 — Alarobia, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)

Teny mahery kanefa manambara ny tena ao am-pony no nataon’i Jesoa, an’ireto vahoaka nitangorona teo Aminy : “Taranaka ratsy ity taranaka ity”, noho izy ireo mitady famantarana. Tonga amin’ilay fomba fiteny hoe: “Tsy mino maty raha tsy avy mandevina”. Kanefa i Jonasy sy ilay Mpanjakavavy avy any Saba, dia efa famantarana teo aminy. Famantarana maneho ny fitondran’Andriamanitra sy ny Fahendreny ho an’ny vahoaka. Ny finoana tsy mifototra amin’ireo zava-mahagaga sy famantarana fotsiny, fa fisokafan’ny fo sy ny saina hahalala ny marina itarihan’Andriamanitra antsika. Ao amin’i Kristy no lavorary sy tanteraka ny io fanambaran’Andriamanitra io. Ao Aminy sy miaraka Aminy no manambara ny Tenany sy ny fandaharany momba famonjena antsika olombelona. Ka izay tojo Azy, izay mandray Azy no hizotra amin’ny lalan’ny finoana marina.

Izao tontolo izao no nahatongavan’i Kristy, ilay fahazavana manilo sy mitarika antsika olombelona ho amin’ny tena fahafahana. Ka izay mitady azy sy maniry Azy dia tsy ho diso anjara. Nanana tombony ireto vahoaka ireto, niara-dia tamin’i Kristy, saingy nanda sy nanidy ny fony tsy hino Azy. Ny vahiny indray ny tonga nihaino ny fahendren’i Salomona, izay efa tandindon’i Kristy, Fahendren’Andriamanitra. Indraindray manary fahasoavana, indraindray manao antsirambina ny fomba fitantanan’Andriamanitra mba hizorantsika amin’ny lala-mahitsy. Tsarovy ny tenin’i Kristy, “ireo nahay nandray sy nibebaka no, hanameloka antsika amin’ny fitsarana”. Tsy natao ho very maina izay nataon’Andriamanitra antsika fa natao hampiova antsika ireny ary hanadinana antsika koa amin’ny farany.

Miantso antsika mba hibebaka sy hahay handray an’i Kristy, Tenin’Andriamanitra, ny Evanjely anio ary mampahatsiahy antsika ny fomba hahalalantsika ny fitondran’Andriamanitra antsika. Karemy ny andro, fotoana hanitsiana ny fiainam-pinoana, mba ho mari-toerana eo anatrehan’Andriamanitra, hisehoantsika ho taranaka tsara, mahay mankatò sy mizotra amin’ny finoana marina. Enga anie mba hanampy ny fizorantsika manatona an’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...