14 marsa 2025 — Zoma, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy— Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)
Ny toetra anaty manosika antsika hankatò ny lalana, no tiani Jesoa ahitsy sy ampianarina antsika, amin’ity Evanjely rentsika teo ity. Azo lazaina hoe: ny zava-baovao entiny sy ny vokatry ny finoana Azy. Nambarany mazava tsara, fa fepetra hidirana any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny endriky ny fahamarinana ianinatsika, lehibe noho ny an’ny mpanora-dalana sy ny Farizianina. Ireto farany dia mankatò ny lalana, ny didin’Andriamanitra, tsy ho amin’ny fiainana ny tena fitiavana fa ho fisehoana ivelany fotsiny ihany. Raha tsorina dia hoe: “Tsy mifanaraka amin’ny ao anaty, ny fo, ny ataon’izy ireo, ary tsy mitondra any amin’izay kendren’Andriamanitra, dia ny hahalavorary antsika eo anatrehany sy hampirindra ny fifandraisantsika olombelona”. Raha toa ka tsy atoditsika any amin’Andriamanitra ny ataontsika rehetra dia tsy hahasoa antsika velively, Andriamanitra izay tsy misaraka na ovina na oviana amin’ny namana.
Eo indrindra no ampianarin’i Kristy ny fifandraisana sy fifampiankinana lalina misy eo amin’Andriamanitra sy ny namana. Toy ny fanafintohinana sy ny fahatezerana dia efa famonoana ara-moraly sy ara-panahy, heloka tsy maintsy ibebahana, raha te hijoro ho tena mpianatr’i Kristy sy te handova ny fanjakan’Andriamanitra. Ny fifamelana alohan’ny hanolotra sorona, tsy hoe: “fanehoana ny vokatry ny fanaovan’i Kristy sorona ny tenany, hampivitrana ny fifandraisantsika olombelona amin’Andriamanitra sy isika samy isika fotsiny, fa fifampiankinan’izay tanterahantsika eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fiainatsika samy olombelona.” Sorona natao hampihavana. Manam-petra anefa ny fahafahantsika, voafetra ny fotoana iainantsika eto an-tany, io no antony itenenan’i Kristy antsika mba hihavana haingana, mba tsy hiitaran’ny vokatry ny fisarahana na disadisa misy eo amin’ny fifandraisantsika samy isika.
Tsarovy ary fa ny tena fahamarinana, atoron’i Kristy antsika anio, dia mihoatra ny fahitana eto ivelany, manohina ny fo sy ny toe-po. Ary ny fitiavana sy ny fihavanana ary ny fifamelana no fepetra iainana hidirana any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hanahaka an’i Masindahy Joseph, ilay lehilahy marina teo imason’Andriamanitra, anie isika, ary ho feno fitiavana sy famindram-po, ho tia fihavanana mamakivaky izao karemy 2025 sy taon-jobilin’ny Fanantenana izao.