13 marsa 2025 — Alakamisy, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 7-12)
Teboka roa no votoatin’ny Evanjely rentsika teo, fampianarana sy tari-dalana omen’i Kristy ny mpianany. Voalohany dia ny tsy maintsy hivavahana am-paharetana sy am-pitokisana tanteraka amin’Andriamanitra. Asongadin’i Jesoa ny maha Ray an’Andriamanitra: mihaino sy tsy sasatra mihaino an’ireo mangataka Aminy. Toe-po tsara sy mendrika, mianiga ao amintsika mivavaka ny atoron’i Kristy. Tsy misy dikany tokoa ny vavaka ataontsika, raha toa ka atao fa ho any fa ho any, tsy hanantenana izay sitrak’Andriamanitra fa mahasoa antsika. Tsarovy fa ny fahasoavana azo anio, dia vokatry ny fangatahantsika tany aloha, ny ho amin’ny ampitso sy ny ho avy, hitalahoana anio. Ray mihantra ny Ray heverintsika fa tsara mantsy Andriamanitra. Mahalala ny mahasoa ny zanany, ary manome zava-tsoa ho an’izay mangataka Aminy. Izay ataony antsika, no tokony ho fiainantsika koa eo anatrehany, tsy ho sasatra ny mitodika am-pitokisana tanateraka any Aminy.
Faharoa ny fiainana ny lalana volamena, atoron’i Kristy, manoloana ny fifandraisana amin’ny hafa. “Izay rehetra tianareo ataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona toraka izany koa”. Tsisy hafa isika, fa samy zanaky ny Ray, samy miantso ny anarany, samy mangataka zava-tsoa avy Aminy ary samy zanaka tiana. Maha isika antsika eo anatrehan’Andriamanitra izany, koa nahoana tokoa moa no tsy mba asehontsika amin’ny hafa? Irintsika eo anatrehan’Andriamanitra ka tokony ataontsika amin’ireo manodidina antsika koa. Tsy fangatahana anefa izay fomba sy toetra izany fa didy omen’i Kristy ny mpianany, baiko omeny antsika mba hanahafantsika an’Ilay Andriamanitra Raintsika, ary hahalavorary ny fifandraisantsika samy zanaky ny Ray.
Mampianatra antsika i Jesoa androany mba hananantsika fahatokisana tanteraka an’Andriamanitra ary hananantsika koa herim-po hanatanteraka ireo hatsaram-panahy manorina fifandraisana lavora sy mahasamabtra manoloana ny hafa. Enga anie izao karemy izao mba hanampy antsika hanana fon-janaka, tia sy matoky an’Andriamanitra Raintsika, ary hanampy antsika koa hifampitsinjo sy hifanasoa mandrakariva.