Tsy mety mandray ravin-deno sy manao raharaha intsony ny zanaka fa variana ao amin’iny fitaovana kely safosafoina sy pendipendena tontolon’ny andro iny. Lasa miteraka hamaivanan-doha eo amin’ny zanaka matetika satria tsy miditra intsony mihitsy ny anatra sy ny fanabeazana omen azy mivantana. Ary tsy vitan’izany fa ny fanekena ny ray aman-dreny dia raisina ho didiko fe lehibe sisa.
Alarobia 21 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40
Manindraindra ny fiainana mirenty ny fanatontoloana ary manaitra avy hatrany. Tsy mila ezahana akory ny miaina azy fa tafiditra ho azy ao anaty, ary iny no lasa lalam-piainana sy fanompoan-tsampy mihitsy aza ka miteraka korontana eo amin’ny fiainam-pianakaviana. Tsy misy intsony ny firaisan-tsaina fa samy maka ho azy. Manjavona tsikelikely ny fifankatiavan’ny mpianakavy ao an-tokatrano satria miriorio amin’ny fifandraisan-davitra amin’ny any ivelany. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Talata 20 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 30-35
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco