17 mey 2023 — Alarobia, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 12-15)

Vehivavin'ny fiainana tsotra andavanandro i Maria, vehivavy tonga reny, reny nahita ny nahafatesan-janany tsy an-drariny, nahita azy nitsangan-ko velona, ary niandry tamim-paharetana nivavaka — niaraka tamin'ny mpianatra — ny fiavian'ny Fanahiny. Manetsaka fitiavana sy mampisy fotony ny ankobanandro i Maria: toa nijanona ho toy ny teo aloha ihany ny zavatra rehetra, nefa toa niova ho vaovao feno hanitra mamerovero ihany koa. Hasivianandro fiomanana ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro faharoa.

Hoy ny Ntaolo : avadibadiho im-pito aloha ny lela alohan'ny hiteny ; izany hoe manontany tena raha azo antoka ny loharano nahenoana resaka mialohan'ny hitantarana azy amin'ny olona hafa. Amin'ny fehezan-teny tokana dia : tsy maintsy mamakafaka sy manadihady vao miteny. Mila mandinika isika, mitady ny loharano marim-pototra sy mazava fa tsy milaza zavatra manjavozavo na honohono. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

16 mey 2023 — Talata, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 5b-11)

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...