• Nafampana sahady ny fifanazavana teny Tsimbazaza teo amin'ireo Solombavam-bahoaka sy ireo mpikamban'ny Governemanta, androany. Nateti-piavy tamin'ny fandraisam-pitenenan'ny depiote ny delestazy, ny tsy fandriam-pahalemana... • Mampanahy amin'ny hanomezana ny Jirama ho an'ny sehatra tsy miankina ny nanovana ny sata mifehy ity orinasam-panjakana ity, hoy ny Sendikan'ny mpiasan'ny angovo sy rano malagasy... • Nomarihina androany ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny fampiasana zaza. Tsy tokony hisy ankizy, na iray aza, hiasa sahady eto Madagasikara, hoy ny Vovonan'ireo fiarahamonim-pirenena miaro azy ireo eto amintsika...
♦ Miaka-dapa eny Tsimbazaza nanomboka androany ny mpikamban'ny governemanta tarihan'ny Praiministra Ntsay Christian. Fotoana ahafahan'ny solombavambahoaka mametraka fanontaniana amin'ny fahefahana mpanatanteraka momba ny fizotry ny raharaham-pirenena... ♦ Mahatratra 100 tapitrisa Dôlara isam-bolana ny vola nomerika mivezivezy eto Madagasikara. Tsy maintsy amafisina ny fahamalinana manoloana izany hoy ny Tale Jeneralin'ny SAMIFIN... ♦ Nanomboka androany etsy amin'ny CCI Ivato ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Fizahan-tany (ITM) andriany faha-11 sy ny Foara Iraisam-Pirenena ho an'ny Asa-tanana andiany faharoa...
♦ Hihaona amin'ny Papa Léon XIV any Vatican ireo Evekan'i Madagasikara ; izy ireo izay manao fivahinianana Masina ao Rôma... ♦ Mitodika eny Tsimbazaza ny fahalianan'ny mpanara-baovao politika. Hihaona amin'ny solombavambahoaka ireo mpikamban'ny governemanta anio sy rahampitso zoma, horesahina ny fiainam-pirenena... ♦ Hotanterahana eto Madagasikara ny herinandro fampiroboroboana ny Indostria ao amin'ny SADEC. Hetsika hotanterahana ny 28 hatramin'ny 1 aogositra izao. Handray anjara amin'izany ny Malagasy Mpandraharaha...
• Efa tonga any Vatican Roma, ireo Evekan'i Madagasikara hanatontosa fivahiniana masina. Hisy ny fihaonan'izy ireo amin'ny Papa Léon XIV, amin'ity dian'izy ireo ity... • Rahampitso no hifanatrika mivantana eny Tsimbazaza ireo mpikamban'ny Governemanta, hotarihin'ny Praiminisitra, sy ireo Solombavam-bahoaka... • Fanararaotra lehibe ho an'ireo mpandraharaha eto Madagasikara ny handraisan'i Madagasikara ny fihaonana an-tampon'ny SADC, afaka volana vitsy...
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco