♦ Nirehitra androany tamin'ny 3 maraina ihany koa ny SRMV ao Tsiroanomandidy... ♦ Nanamafy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy fa ani Madagasikara ireo biby naondrana an-tsokosoko tany Thaïlande. Hihazo an'ity firenena ity Andriamatoa Ministra amin'ny herinandro hitsidika... ♦ Nihetsika ny tany halina tamin'ny 11 ora sy 03 minitra... ♦ Mahazo vahana ny famonoana kandidà any Mexique, tafakatra 25 isa, ireo maty roa andro mialoha ny fifidianana...

♦ Mafana ny toe-draharaha tany Tsihombe vokatry ny tsy fitovian-kevitra amin'ny voka-pifidianana ka niafara tamin'ny fandrehetana trano... ♦ Miisa roa ireo faritra mando eto Antananarivo. Hampahafantarina amin'ny alalan'ny horonan-tsary eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina ao anatin'ilay hetsika Haody ry Gasikarako izany anio maraina... ♦ Hohamafisina ny fanatsarana ny serasera sy ny fampitam-baovao manoloana ny fankalazana ny fetim-pirenena amin'ity taona ity, araka ny nivoitra tamin'ny atrikasa notarihan'ireo mpikarakara ny hetsika... ♦ Akon'ny korontana tany Nouvelle-Calédonie, vola hatrany amin'ny iray lavitrisa Euros no ilaina ho fanarenana ireo orinasa maherin'ny 500 simba sy rava...

♦ Nankalazaina tany amin'ny Saha Maitsoanala any Mandraka Ambatolaona Manjakandriana, ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny karazan-java-manana aina... ♦ Mbola misy olona roa karohina, voasaringotra tamin'ilay raharaha fanondranana an-tsokosoko sokatra sy varika tany Thailande... ♦ Mbola azo hitarina hatrany amin'ny 10 tapitrisa hekitara ny velaran-tany azo volena eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny tantsaha ao anatin'ny sehatry ny famokarana tantanam-pianakaviana...

♦ Mitarika amin'ny ampaham-bato azo, any amin'ny Distrika maro eto amin'ny nosy, ny kandindàn'ny IRMAR araka ny fironana voaray avy eny amin'ny CENI. Misy amin'ireo Solombavam-bahoaka nirotsaka amin'ny alalan'ny Firaisankina no tsy ho tafaverina eny Tsimbazaza... ♦ Mitaraina amin'ny tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana farany teo ny kandidà tao amin'ny Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra, Ramboasalama Emilien. Miahiahy amin'ny fanodinana ny vatony kosa ny kandidà tsy miankina ao Belo amoron'i Tsiribihina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...