♦ Nidina teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tolak'andro teo. Nilokaloka ireo tompon'andraikitra voakasika mivantana fa hanatanteraka ny fanatsarana ilaina hanafoanana ny kolikoly... ♦ Tsy misy miova ny fepetra hisitrahana ireo trano anatin'ny fandaharan'asan'ny fanjakana Malagasy, napetraka amin'ny faritra samihafa eto amin'ny nosy... ♦ Naotolotra ny fampanoavana androany ny raharaha Miah Raveloson, ilay tovovavy maty voadonan'ny fiara teny Nanisana ny 17 jolay. Ny tovolahy sakaizany ihany no nahavanona ny famonoana...
♦ Tsy tokony hiandrasana Governemanta vaovao ny famaritana ny datin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina hoy ny antoko VHT, araka ny nambaran'ny filoha nasiônaliny... ♦ Milaza ny hidina ifotony etsy amin'ny seranam-piaranamanidina iraisam-pirenena Ivato anio tolak'andro ny filoham-pirenena. Fidinana ifotony, taorian'ny fitarainan'ny maro, izay niparitaka be tamin'ny tambajotran-tserasera... ♦ Mbola tsy nidina ny vidin'ny lafarinina eny an-tsena na teo aza ilay toromarika nomen'ny Ministeran'ny varotra. Tokony mametram-pialàna izay tompon'andraikitra tsy mahavita ny asa hoy ny MCI... ♦ Niroso tamin'ny fampiharana sazy ara-toe-karena ho an'i Russie ihany koa ny fitondràna Ukraine...
♦ Samy mitebiteby ireo mpiadina sy ny ray aman-dreny amin'ny fizotry ny fanadinana Bakalôrea. Miahiahy amin'ny resaka fivoahan'ny laza adina izy ireo ka miomana ara-tsaina amin'izay mety hitranga rehetra, hatramin'ny fiafaran'ny fanadinana... ♦ Milaza ny hampiato ny fandraofana sy fitaomana fako ireo mpiasan'ny SMA. Nifamotoana teny amin'ny foiben'ity orinasa teny Nanisàna indray izy ireo omaly, nitaky ny handoavana ny karamany volana jona... ♦ Mbola mitohy foana ny fanotorana tany ao an-drenivohitra ao amin'izao na dia miato aza izany ; nametra-panontaniana amin'ny mpitantana ny Kaominina Antananarivo momba izany ireo mpanolontsainn'ny tanàna omaly...
♦ Mpiadina maherin'ny roa hetsy no niadina ny fanadinana Bakalôrea manerana ny nosy, nanomboka androany. Milaza ny efa miomana ara-tsaina ireo mpiadina sendranay tao an-drenivohitra, mitaintaina noho ny resaka “fuite de sujet”... ♦ Milaza ny hampiato ny fitaomana ny fako androany, ireo mpiasan'ny SMA, mitaky ny handoavana ny karamany volana jona... ♦ Mbola mitohy hatrany ny fanotorana tany ao an-drenivohitra amin'izao, na dia miato aza izany. Nametra-panontaniana amin'ny mpitantana ny Kaominina Antananarivo, ireo mpanolotsain'ny tanàna, androany...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco