♦ Miandry ny fitsanganan'ny Governemanta vaovao, vao mety hisy ny famaritana ny datim-pifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina. Mijanona ho soson-kevitra hatramin'izao ilay datin'ny 6 nôvambra naroson'ny CENI... ♦ Volamena maherin'ny 6.400 kilao no tafavoaka an-tsokosoko teto Madagasikara, teo anelanelan'ny taona 2019 sy 2023... ♦ Mbola sarotsarotra ny famerenana amin'ny laoniny ny herinaratra any Toamasina, tao aorian'ny fahatapahana faobe omaly hariva. Vinavinaina mbola hitohy hatramin'ny rahampitso hariva ny asa, hoy ny JIRAMA...

♦ Manolo-kevitra amin'ny fiaraha-miasa misimisy kokoa eo amin'ny mpikirakira fifidianana rehetra ny firaisamonim-pirenena "Mijoro Mandroso" hanatsaràna ny zotram-pifidianana eto Madagasikara. Manana mpanara-maso 600 isa mahery miparitaka amin'ny Distrika 115 amin'ny fifidianana kaominaly izy ireo... ♦ Niaina anaty haizina vokatry ny fahatapahan'ny herinaratra faobe ny tao Toamasina. Firehetan'ny tariby ambanin'ny tany mitondra ny herinaratra no antony saingy niampy indray ny fahavoazana ny maraina teo vokatry ny firehetan'ny milina fanapariahana herinaratra... ♦ Amperin'asa ao amin'ny Faritra Boeny ny Tetik'asa FSRP ; miandrandra fivoarana amin'izany tetik'asa izany ny tantsaha...

♦Asa andrasana amin'ny governemanta vaovao hijoro eo ny famaritana ny datim-pifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsain'ny tanàna... ♦ Manana fotoana hatramin'ny alatsinainy 22 jolay izao ireo nisoratra anarana amin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisitra vonjy maika... ♦ Tanterahana eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina hatramin'ny sabotsy izao ny foaran'ny FROMAZY avy eto an'ivon-tany. Mpandray anjara 20 mahery no mampiranty ny vokany, izay hita fa efa mahafolaka ary mahafehy ny fenitra misy... ♦ Nifanakalo babo an'ady i Rosia sy Ukraine ; miisa 95 avy ireo voafonja nifanakalozan'ny andaniny sy ny ankilany...

♦ Asa andrasana amin'ny Governemanta vaovao hijoro eo, ny famaritana ny datim-pifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsain'ny Tanàna... ♦ Manana fotoana hatramin'ny alatsinainy 22 jolay 2024, ireo nisoratra anarana amin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisitra vonjy maika... ♦ Hanamafy ny fiarovana ny Zandarimariam-pirenena mandrita ny fotoam-pialantsasatra...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...