♦ Mitaky ny efa amoahana dieny izao ny anto-bola ho an'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, ny antoko Humaniste Ecologiste... ♦ Mampitandrina ireo milaza ho manana laza adina Bakalôrea sy manaparitaka izany, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka. Velona ahiahy amin'io tranga io ireo mampianatra sasany, telo andro mialoha ny fanadinana... ♦ Mbola ampy ny isan'ny enjeniera eto Madagasikara. Misy amin'izy ireo no tsy mahita asa mifanaraka amin'ny maha enjeniera azy, hoy ny Holafitra androany, ka mila fitadiavana vahaolana...
♦ Ao anatin'ny fandinihana ireo paikady hahafahana manafaingana ny fampandrosoana ireo Distrika nahazoany fandresena ny FIVOY, ankehitriny... ♦ Namoy namana iray indray ny fianakaviamben'ny mpanao gazety. Nodimandry teo amin'ny faha-51 taonany i Razanakarivelo Herinanahary Alain, fantatra amin'ny anarana hoe HERNAN Rivelo... ♦ Antoka iray hahafahana maka fanapahan-kevitra mifanaraka amin'ny zava-misy, ny fananana antontam-baovao sy antontan'isa ara-potoana sy mitombina. Dinihina amin'ilay atrikasa rejiônaly tanterahana eto Madagasikara izany...
♦ Nahitana hetsika avokoa ireo oniversitem-panjakana miisa telo. Tsy olana vaovao fa mifandraika amin'ny vatsim-pianarana sy ny foto-drafitrasa hatrany no nitarika izany... ♦ Antony iray manahiran-tsaina ny fitondrana ka tsy amoahany ny datim-pifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsain'ny Tanàna, ny fandresen'ny mpanohitra tany amin'ny renivohi-paritany, nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka farany teo, hoy ny SFDM... ♦ Nahitana fihenana hatrany amin'ny antsasa-manila ny tranga fanolanana, manerana an'i Madagasikara, tao anatin'ny enim-bolana...
♦ Miandry ny fitsanganan'ny Governemanta vaovao, vao mety hisy ny famaritana ny datim-pifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina. Mijanona ho soson-kevitra hatramin'izao ilay datin'ny 6 nôvambra naroson'ny CENI... ♦ Volamena maherin'ny 6.400 kilao no tafavoaka an-tsokosoko teto Madagasikara, teo anelanelan'ny taona 2019 sy 2023... ♦ Mbola sarotsarotra ny famerenana amin'ny laoniny ny herinaratra any Toamasina, tao aorian'ny fahatapahana faobe omaly hariva. Vinavinaina mbola hitohy hatramin'ny rahampitso hariva ny asa, hoy ny JIRAMA...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco