♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan'ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara. Nanao antso avo ho an'ny Malagasy hanangan-tsaina ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina... ♦ Nanainga omaly teny Mahamasina hihazo an'Anjozorobe ny Fiara miisa 14 hanatanteraka ny hetsika ara-pahasalamana Sarobidy ny aiko amin'ny alalan'ny Rodorodo ara-pahasalamana... ♦ Manomboka miharina ny fanafarana sy fanondranana entana ataon'ny mpandraharaha. Misedra olana amin'ny fiovaovan'ny vola haloa eny amin'ny fadintseranana ny ankamaroan'izy ireo... 

♦ Fananganan-tsaina sy firedonana ny Hiram-pirenena, teny anoloan'ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra androany, no nanombohana ôfisialy ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan'ny Fahaleovan-tena... ♦ Miverina mandeha ankehitriny ny fitaterana an-dalamby TCE, mampitohy an'i Moramanga sy Toamasina... ♦ Fiara 14 no hanatanteraka ny hetsika "Sarobidy ny aiko" amin'ny alalan'ny "Caravane de la santé" ; niainga teny amin'ny Kianja Barea, androany...

♦ Hampahafantarina amin'ny talata ho avy izao, ilay sata mifehy ny fitsipi-pitondran-tena amin'izao vanim-potoana fifidianana izao... ♦ Antony iray tsy maintsy hitohizan'ny fahatapahan'ny herinaratra mifandimby, ny fitombon'ny filan'ny mpanjifa amin'izao vanim-potoana ririnina izao, hoy ny Jirama... ♦ Mirongatra ankehitriny ny fanolanana zaza tsy ampy taona, ka anaovan'ny fikambanana SK, antso avo...

♦ Hotanterahana anio, eny anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Analakely, ny lanonam-panokafana ny Fetim-pirenena... ♦ Andrasana anio, ny fampakarana fampanoavana an'i Nambinina Raherimampianina, izay voasambotra nandritra ny hetsika notarihan'i Doris Rakoto Samuel teny Analakely, ny alarobia teo... ♦ Mbola manamafy ny ahiahiny amin'ny mety hisian'ny krizy eto amin'ny firenena, ny antoko UNDD...

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...