• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny faritra avaratry ny nosy, ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kolonely Michaël Randrianirina sy ny delegasiona miaraka aminy. Marolafy ireo fandaharam-potoanany amin'izany... • Nodimandry i Houssene Abdallah. Andraikitra maro teto amin'ny firenena no efa notanany, toy ny naha mpikamban'ny CENI azy, Minisitra ary Solombavam-bahoaka... • Vonona hanome tohana ireo mpianatra afaka Bakalorea, tsy tafiditra eny amin'ny oniversitem-panjakana, ny sekoly ambony ESDES. Misy ny fidirana andiany faharoa...

• Navotsotra rehefa avy notanana herinandro teny Fiadanana, Andriamatoa Alain Andriamiseza. Nahiahiana ho nitarika fanakorontanana saika notanterahana omaly 5 janoary izy. Fiahiahiana nolaviny marindrano... • Tsy tokony hisy fitanilana, hoy ny Solombavam-bahoaka Pety Rakotoniana, ny ady atao amin'ny tsy maty manota. Mila miantoka ny fitoniana eto amin'ny firenena ny fanjakana, hoy ity depiote ity... • Mila tohizina amin'ity taona ity ny dingana vita tamin'ny fampiroboroboana ny fizahan-tany teto Madagasikara tamin'ny taon-dasa. Tokony hajaina ny lalana sy ny fenitra misy, hoy ireo mpisehatra amin'ny fizahan-tany sy ny mpikarakara mpizaha tany...

• Diso hevitra ireo miteny fa mamerina ny nataon'ny teo aloha ny fitondrana amin'ny fanenjehana ara-pitsarana misy amin'izao, hoy Ramasy avy amin'ny Vondrona Panorama. Nambarany fa tokony ho zatra fampiharan-dalana isika Malagasy... • Olona 11 no maty, 274 tra-boina teto amin'ny Faritra Analamanga, vokatry ny oram-be tato ho ato. Tao ireo nianjeran'ny trano, nisy ny nilatsaham-baratra, raha ny tatitry ny BNGRC androany... • Ambim-bolam-panjakana ilay "prime" 310.000 Ariary, ho an'ny mpiasam-panjakana. Nanazava ny momba izany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, nandritra ny fananganan-tsaina voalohany teny Iavoloha...

• Niakatra ho 76 ny isan'ireo tranga ahiana fa aretina nendran-drajako hita eto Madagasikara. Nitombo ny faritra ahitana azy, raha ny tarehimarika avy amin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka... • Navotsotra, saingy eo ambany fanaraha-maso ara-pitsarana i Moussa Soahily, taorian'ny fiakarany fitsarana omaly hariva. Diso ny vaovao niparitaka fa nalefa eny Tsiafahy ity mpomba ny fitondrana teo aloha ity... • Hiverina ny fitondrana arovava sy orona eny an-tsekoly. Namoaka naoty ho fampiharana ireo fepetra fisorohana ny Mpox amin'ny sehatry ny fampianarana ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...