♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika eny amin'ny fonjan'Antanimora ny Ministry ny fitanterana sy ny famantarana ny toetrandro teo aloha, Ramonjavelo Valéry. Ilay raharaha momba ny Boeing 777 an'ny iraniana nahazo laharana Malagasy no antony... ♦ Famatsiam-bola manodidina ny 75 hatramin'ny 195 tapitrisa Ariary no nositrahan'ireo fiaraha-monim-pirenena miisa 30 anatin'ny tetik'asa Tady Dago. Tetik'asa vatsian'ny fikambanan'ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany... ♦ Mahavaly ny kalitao tadiavin'ny tsena eto an-toerana sy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny solitany mavesatra vokarin'ny Madagasikara Ol ao Tsimiroro... 

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...