♦ Ho tanterahina rahampitso talata eny amin'ny antenimieram-pirenena ny fampahafantarana ataon'ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo ny Pôlitika Ankapoben'ny Fitondrana (PGE)... ♦ Anatin'ny famolavolana ny taratasy lasitra entina mandresy lahatra ny fitondram-panjakàna sy ny ministeran'ny fitsaràna ny hisitrahan'izy ireo ny sekreteram-panjakàna hiahy azy ireo ny fandraharahana ny fonja... ♦ Hiakatra kianja ao Antalya any Turquie anio, amin'ny 5 ora eto an-toerana, ny ekipam-pirenena malagasy amin'ny taranja baolina kitra, ny Barean'i Madagasikara... ♦ Niray latabatra sy niara-nisakafo tamin'ireo mahantra tao vatican ny Papa Léon-XIV...

♦ Maro lafy ireo zavatra noresahan'ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika tamin'ilay dinidinika nataony ho an'ny vahoaka Malagasy, voaresaka tamin'izany ireo raharaha mafana samihafa eto amin'ny firenena... ♦ Hampanantsoin'ireo solombavambahoaka mandritra ny fivoriana tanterahina eny Tsimbazaza anio alatsinainy faha-17 novambra, ireo ministra miisa enina voakasika amin'ny filàna fototra ho an'ny vahoaka... ♦ Hiverina handray ny asany manomboka anio alatsinainy faha-17 novambra ireo "internes" manerana ny nosy, vita sonia ny faran'ny herinandro teo mantsy ny "protocole d'accord" niarahan'izy ireo tamin'ny ministeran'ny fahasalamambahoaka...

♦ Ravan'ny mpitandro ny filaminana any Antsirabe ny tambazotran'ny mpaka ankeriny, nisy ny jiolahy namoy ny ainy voatifitra, avotra ilay teratany vahiny nalaina ankeriny ny alarobia teo... ♦ Tsy haitraitra fotsiny ny fangatahana zo tsy azo enjehina takian'ny Ben'ny Tanàna fa tena dingana iray hahafahana miatrika ny fampandrosoana ny kaominina hoy ny filoha mpirara-mitantana ny fikambanan'ny Ben'ny tanàna manerana ny nosy... ♦ Laharam-pahamehana ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny serasera, indrindra amin'ny fanafoanana ireo andininy mety hanelingelina ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety hoy ny tale jeneraly vaovaon'ny Ministeran'ny Serasera...

♦ Manana ny lanjany amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny boky aman-gazety katôlika. Nisongadina izany nandritra ny fiofanana, sy fivoriana tsy ara-potoanan'ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny boky eo anivon'ny Fiangonana Katôlika... ♦ Naiditra am-ponja eny Antanimora i Rinah Rakotomanga, sy ilay sakaizany Jerry noho ilay raharaha kolikoly tao amin'ny Madagascar Airlines... ♦ Nahatratra 170 miliara Ariary ny faty antoka ho an'ny Fanjakàna vokatry ny kolikoly ho an'ny taona 2025, raha ny tatitry ny BIANCO, omaly... ♦ Nirongatra be ny fakàna ankeriny ataon'ny JIHADISTE amin'n teratany vahiny any MALI tamin'ity taona ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...