♦ Andrasana ny anaran'ny praiministra vaovao faharoa ao anatin'izao fitondrana fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara izao, taorian'ny fampitsaharana tamin'ny asany ny praiministra teo aloha Rajaonarivelo Herintsalamana... ♦ Nivoaka ny didim-pitsarana avy amin'ny Filan-kevi-panjakana mandidy ny hamerenana ny fifidianana ben'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra sy nanafoanana ny vato azon'ny ben'ny tanàna am-perinasa... ♦ Velon-taraina ny tantsaha mpamboly "orge" any amin'ny Faritra Matsiatra-Ambony sy Amoron'i Mania noho ny fihenan'ny fidiram-bolan'izy ireo amin'ny alalan'ny famokarana amin'ity taona 2026 ity...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...