♦ Tsy manaiky ny fanaratsiana atao amin'ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena amin'izao fotoana izao ireo solombavambahoaka voafidy tany amin'ny Faritra atsimo-atsinanana. Misy ambadika politika mantsy izany hoy ny solombavambahoaka ao amin'ny Distrika Ifanadiana... ♦ Hampiasaina amin'ny fiara fitanteram-bahoaka indray ny karatra mena, rehefa tsy niasa intsony ny karatra maitso. Tetik'asa hisitrahan'ny olona manana fahasembanana sy ny zokiolona fivezivezena malalaka... ♦ Kapila mangirana osoka miisa 5.000isa no nodorana tao amin'ny Fokontany Morondava kaominina Antehiroka. maro no efa voasambotry ny BAP...
• Misy tetika politika ataon'ny antoko iray manana kandida ho Filohan'ny Repoblika, ny fanenjehana ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena tato ho ato, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany amin'ny Distrikan'Ifanadiana... • Hatsaraina ny fomba fisitrahan'ny olona manana fahasembanana sy ny zokiolona ny fiara fitateram-bahoaka. Hampiarina atsy ho atsy ny sata vaovao ifanarahan'ny mpitatitra sy ny mpitandro ny filaminana mpandrindra ny fifamoivoizana... • Nahitana sokatra 162 isa tao amin'ny trano fonenan'ny teratany Sinoa iray, mpitantana trano filokana na “casino”, etsy Ilaivola Ivato...
♦ Mitohy hatrany ny asan'ny vaomieram-pirenena mahaleontena misahana ny fifidianana (CENI), na miato aza ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy... ♦ Efa niverina nanomboka ny 12 novambra teo ny famatsiam-bola avy amin'ny Banky Iraisam-Pirenena ho an'i Madagasikara, tetik'asa miisa 24 no voakasiky ny famatsiam-bola mitentina 4 miliara Dollar... ♦ Namoaka filazana loza manambana, miloko mavo, ho an'ny lemak'Antananarivo lalovan'ny renirano Sisaony ny APIPA, tamin'ny 8 ora maraina teo... ♦ Fanirian'ny Papa Léon-XIV amin'ny fitsidihana firenena manaraka ny hamangy firenena afrikàna, isan'izany ny any Algérie...
♦ Vonona hitondra ireo porofo manamarina ny fisian'ny olona an-tapitrisany mitovy laharana kara-panondrom-pirenena tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2020, Andriamatoa Thierry Rakotonarivo... ♦ Hodinihina eny amin'ny Antenimieran-doholona Anosikely, rahampitso alakamisy 4 desambra, ny volavolan-dalàna momba ny teti-bolam-panjakàna 2026 (PLFI)... ♦ Mpianatra miisa 30 no traboina tsy manan-kialofana vokatry ny fahamaizan'ny Bloc-92 teny amin'ny Cité ho an'ny mpianatra Ambohipo, miantso tolo-tanana hanarenana haingana ny trano fonenany izy ireo...
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco