♦ Hatsaraina ny fifandraisana amin’ny lafiny ara-barotra sy ny toe-karena eo amin’i Madagasikara sy Guinée Equatoriale, mitsidika any an-toerana, ankehitriny, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ny Kôlônely Randrianirina Michaël… ♦ Naneho ny alahelony ny zanaky ny Faritra Melaky monina eto Antananarivo, tamin’ny tsy fisian’ny zanaky ny Faritra tao anatin’ny Governemantan’ny Fanavoazana in-droa nisesy izao… ♦ Nahazo foto-drafitrasa afahana misitraka vaovao ara-potoana momba ny toetr’andro, ny toe-tany, ny toetry ny rano, avy amin’ny PNUD ny foibe famantarana ny toetr’andro Malagasy… ♦ Nanao fanambarana ny fitondrana Iraniana fa mikatona ho an’ny fivezivezen’ireo sambo rehetra avy amin’ny firenena manana fifandraisana amin’ny fahavalon’i Iran, ny ao amin’ny Détroit d’Ormuz…

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...