♦ Tafaverina eto Madagasikara ny ampahany amin'ny vola maherin'ny 4 tapitrisa Dolara,, an'ny orinasa Kraomita Malagasy, voalaza fa nahodin'ny fitondrana teo aloha tatsy amin'ny nosy Maorisy... ♦ Tsy mampino ny tsy hahavitana fitrandrahana any Tsimiroro sy Bemolanga hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika omaly. Namaranany ny diany tany Guinée Equatoriale ny fitsidihana orinasa mpitrandraka solika... ♦ Naneho ny alahelony ny zanak'i Melaky monina eto Antananarivo tamin'ny tsy fisian'ny zanaky ny Faritra ao anatin'ny Governemanta mijoro ankehitriny... ♦ Mety ho vita ato anatin'ny 2 herinandro ny ady any Moyen-Orient hoy ny sekreteram-panjakàna amerikana...