♦ Anatin'ny hetsika 16 andro hiadiana amin'ny herisetra mahazo ny tanora ny tetik'asa HAY ZARA hatramin'ny 10 desambra ho avy izao. Lohahevitra voizina "Ny herisetra ara-nomerika atao amin'ny vehivavy sy ny tovovavy"... ♦ Mitana anjara toerana lehibe amin'ny famaritana sy ny fitanisana ireo zava-misy eo ambonin'ny vohon-tany sy ny fifandraisany amin'ireo antotan-kevitra hafa momba ny mponina sy ny tontolo iainana manodidina ny fananana tahirin-kevitra ara-jeografia. Nisy ny atrikasa nandinihana ny momba izany... ♦ Nosatarina omaly ny fanadiovana faobe ny farihin'Antsimoparihy ao Ambohidratrimo...

♦ Najanon'ny Filankevi-pilaminan'ny Vondrona Afrikana (CPS) ny sazy mampitoka-monina an'i Madagasikara eo anivon'ny Kaontinanta sy iraisam-pirenena. Miantso ny mpikambana ao amin'ny vondrona Afrikanina sy mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena hanohy ny fanohanana an'i Madagasikara isan'izany ny lafiny famatsiam-bola... ♦ Notanterahana ny sabotsy teo ny androm-paritra fanaovana vakisiny faobe ho an'ny alika sy ny saka iadiana amin'ny aretina haromontana ho an'ny Faritra Analamanga... ♦ Mila jerena vahaolana haingana ny resaka famatsiana herinaratra mba tsy ho io indray no fototra hampiongana ny fitondrana hoy ny TMP...

♦ Mitarazoka ny fiasan'ny fitondràna amin'ny fikarakaràna ny fikaonandoham-pirenena. Taraiky loatra raha afaka enim-bolana izao vao hotanterahina izany, hoy ny Randrana Sendikaly... ♦ Hotohizana ny fanadihadiana momba ny raharaha Ambohimalaza. Tsy hijanona fotsiny amin'ireo olona 4 voatazona am-ponja ny raharaha fa hotsaraina ireo "Paoa sôsy" hoy ny Ministry ny Fitsaràna omaly... ♦ Misy valan'aretina mifindra haingana be any amin'ny Disitrikan'i Vohipeno amin'izao. Sokajian'ny mpitsabo ho nendram-boalavo izy io, na ambaran'ny any an-toerana hoe "masakalina"... ♦ Maherin'ny 200 ireo olona namoy ny ainy noho ny tondra-drano any Indonésie...

♦ Nampidirina am-ponja, tsara ambina atsy Maorisy Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Ny alatsinainy izao no andrasana hivoaka ny didim-pitsaràna, momba ny raharaha famotsiam-bola hanenjehin'ny Fanjakàna Maorisiana azy... ♦ Nahatratra 2000 mahery ireo antontan-taratasy voarain'ny Ministeran'ny Atitany ho an'ireo hotendrena ho lehiben'ny Faritra 24. Nifarana omaly ny fe-potoana fandraisana izany... ♦ Mbola ho sarotra ny hanapaka ny fifanarahana amin'ireo orinasa vahiny mpamatsy herinaratra ny Jirama, araka ny nambara teny Tsimbazaza hoy ny Sendikàn'ny Angovo sy ny Rano Malagasy (SMARM)...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...