♦ Tsy midika fa hampitony ny tsy fitovian-kevitra amin'ny fanomanana ny fifidianana, ny fampihaonan'ny CENI amin'ny zoma, hoy ny antoko Fiombonana... ♦ Natomboka androany, ny herinandro hanamarihana ny faha-76 taonan'ny tolo-panafahana 1947... ♦ Androany 22 marsa no Taom-baovao malagasy, ho an'ity taona 2023 ity. Nakotroka ny fanomezan-tsodrano sy ny fihinanana vary amin-dronono tondrahan-tantely, ho an'ny teny Mahamasina, nandraisana izany taom-baovao izany...

♦ Olona 300 isaky ny 30 minitra eo, no tombanana hotaterin'ny zotran-dalamby an-tanan-dehibe, mampitohy an'Amoronakona sy i Soarano, amin'ny fanandramana hatao manomboka amin'ny volana aogositra... ♦ Mitohy hatrany ny fakan-kevitra ataon'ny CENI, amin'ireo antoko pôlitika eto amintsika, ny amin'ny fanomanana ny fifidianana... ♦ Niakatra Fampanoavana tany Antsiranana afaka omaly, ny olona miisa 19  voarohirohy, tamin'ilay raharaha saika hanondranana olona an-tsokosoko nankany Mayotte...

♦ Kendrena ho azo hampiasaina amin'ny volana aogositra izao, ny ampahany voalohany amin'ny fitaterana antariby sy ny “train urbain”... ♦ Hodinihin'ireo parlemantera amin'ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ny volana mey, ny fehezan-dalana vaovao momba ny asa, ho fampanarahan-dalana sy ho fampanjakana ny rariny ara-tsôsialy ary asa mendrika eto Madagasikara... ♦ Miditra amin'ny taom-baovao 2023 manomboka anio, ary manamarika izany ireo mpandala ny Taom-baovao malagasy, amin'ny fotoanan'ny fararano mialoha ny hahataperan'ny fahavaratra, toa izao...

♦ Miakatra ny reniranon'i Sisaony noho ny rotsak'orana. Anatin'ny filazana loza manambana na ny loko mavo amin'ny mety hisian'ny tondra-drano ny lemak'Antananarivo lalovan'ny reninrano Sisaony... ♦ Hodinihina eny amin'ny Antenimiera mpanao lalana, mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ny volana mey, ny fehezan-dalana vaovao momba ny asa, hoy ny Minisitry ny Asa, Fampanana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalana sôsialy... ♦ Mifarana androany ny taona 2022, ho an'ireo mpandala ny taom-baovao malagasy...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...