♦ Tombanana hiditra an-tanety rahampitso alakamisy, eo anelanelan'i Vohémar sy Cap-Est ilay andro ratsy, izay efa lasa "Dépression Tropicale" ankehitriny... ♦ Famatsiam-bola 22.000.000 Dôlara no azon'i Madagasikara avy amin'ny Banky Afrikana momba ny fampandrosoana, hiatrehana ny loza voajanahary ary hanatsarana sy hanamafisana ny fitantanana ny lohan-drano... ♦ Nankasitraka ireo mpitarika rehetra anivon'ireo Fiangonana anatin'ny FFKM, ny Filoha Andry Rajoelina, omaly, noho ny finiavan'izy ireo hampanjaka ny firaisan-kina sy ny fihavanana... ♦ Afaka mandray anjara amin'ny fifidianana ho avy ny Malagasy monina any ivelany (Diaspora) hoy ny ministry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana...
♦ An-dalam-piforonana ho rivo-doza ilay tangoron-drahona faharoa tany atsinanan'ny fari-dranomasina Indiana. Tombanana hitombo hery sy hanohy ny diany hanakaiky ny morontsiraka avaratra atsinanana izy io... ♦ Tsy afa-bela amin'ireo hambana avy any ivelany isika, dia ireo ady sy olana samihafa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ary mila miomana hatrany koa amin'ireo hambana anaty toy ny fiovaovan'ny toetry ny andro, hoy ny Ministry ny Fiarovam-pirenena... ♦ Nanome toro-hevitra hanatsarana ny fiompiana tamin'ny mpiompy trondro ny Ministry ny Jono sy ny Toe-karena Manga. Nomea toromarika hiatrehana ny rivo-doza izy ireo mba tsy hiteraka voka-dratsy eo amin'ny fiompiana trondro ny tondra-drano...
♦ Andalam-piforonana ho rivodoza ilay tangoron-drahona faharoa tany atsinanan'ny fari-dranomasina Indiana. Tombanana hitombo hery sy hanohy ny diany hanakaiky ny morontsiraka avatra atsinanana izy ato anatin'ny roa andro manaraka... ♦ Tsy afa-bela amin'ireo hambana avy any ivelany isika, dia ireo ady sy olana samihafa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ary mila miomana hatrany ihany koa amin'ireo hambana anaty, toy ny fiovaovan'ny toetrandro, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, androany...
♦ Mety hivoatra "tempête tropicale" manomboka rahampitso ilay tangoron-drahona ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Hikorontana ny toetr'andro any avaratra, avaratra-atsinanana, ary afovoany atsinanana, hoy ny Météo androany... ♦ Fotoana tokony hanovàna Governemanta izao vanim-potoana mialoha fifidianana izao, hoy ny mpamakafaka pôlitika, Moussa Soalihy. Nambarany fa tsy teknisiana intsony no tena ilaina ho hita taratra ao anatin'ny Governemanta fa ireo mpanao pôlitika manohana ny filoha... ♦ Tsy misy ahiana ny famatsiana PPN, na eo aza ny fitokonan'ireo mpamily amin'ny RN2, hoy ny eo anivon'ny MICC. Niaiky ny Ministera anefa, fa mety hisy fiantraikany amin'ny vidin'entana, raha ho lavareny ny fitokonana...
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco