♦ Efa tonga eny amin'ny Fitsarana Annosy, hatramin'ny maraina teo, ny Filoha Tale Jeneralin'ny La Gazette de la Grande Île, hiatrika ny fampanoavana, noho ny fitorian'ny JIRAMA... ♦ Tsy misy ifandraisany amin'ny asa fanaovan-gazety aloha hatramin'izao, ny vesatra anenjehana an'i Lola Rasoamaharo, hoy ny fanambaran'ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara na ny OJM... ♦ Miantso ny rafitra mpanatanteraka hanaja ny fahafahana haneho hevitra, indrindra amin'izao vanim-potoana fanomanana ny fifidianana izao, ny antoko RDS, tarihin'Andriamatoa Rakoto Andrianirina Fetison...

♦ Hiakatra fampanoavana indray anio, ny Filoha Tale Jeneralin'ny La Gazette de la Grande Île, Lola Rasoamaharo. Nahoron'ny vadintany avokoa omaly ny entan'ity gazety ity, teny amin'ny foibeny teny Antanimena... ♦ Mbola misy tamin'ireo olana efa niainana tamin'ny taona 2013 no miverina sy nanaovan'ny teknisian'ny OIF fanamarihana. Natao omaly ny tatitra tamin'ny fitsirihana andiany voalohany nataon'ny OIF... ♦ Nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra omaly, ny fanafoanana ireo fepetra nampiatoana ny fanondranana volamena...

♦ Misy vola mivezivezy hikasana hividianana vato amin'ny fifidianana, na "fond vautour", eto Madagasikara, hoy ny Praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo... ♦ Mpiasa hatrany amin'ny 300 isa no atahorahana ho very asa, noho ny fikasan'ny orinasa afaka haba iray, hampiasa milina hanoloana ny asan'izy ireo... ♦ Hisy tetikasa "Jeritany", iarahana amin'ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany na ny SIF. Tetikasa hamoriana ireo mpisehatra, hitadiavana vahaolana momba ny tany lova sy ny fanajariana ny tanim-panjakana...

♦ Izingizinan'ny FFKM ny tokony hanandratana ny fahamarinana. Maty heritreritra izao tontolo izao raha mangina ny Fiangonana hoy ny filohany, ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi... ♦ Tsy tokony toa izao ny toerana misy an'i Madagasikara raha mbola tahaka ny an'ireo ray aman-dreny nitolona tamin'ny 29 marsa 1947 ny fitiavan-tanindrazana nanantsika sy ireo mpitondra nifanesy hoy ny sekretera nasiônalin'ny Antoko Arema Annic Ratsiraka... ♦ Nahazo fanonerana ara-bola avy amin'ny orinasa RIO TINTO QMM ny mpanjono sy ny mpampiasa harena voajanahary maherin'ny 5.000 isa any amin'ny Faritra Anosy...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...