♦ Mbola mitana ny teny nomeny amin'ny handraisany anjara amin'ny fifidianana, Andriamatoa Paraina Auguste, na dia nambarany aza fa fanilihana ny mpanohitra ny fampakarana ny anto-bola ho an'ireo kandidà... ♦ Tsy afa-po tamin'ny didy navoakan'ny Fitsarana, ho an'ilay olona nively tavoahangy azy, i Rado Djo, mpiasan'ny onjam-peo tsy miankina... ♦ Marolafy ireo asa fampandrosoana an-dalam-panamboarana ao Imerintsiatosika. Volan'ny Kaominina madiodio avokoa no hanatanterahana izany...

♦ Lasa raharahan'ny samy mpanam-bola ny firotsahana ho fidiana ho Filoham-pirenena, amin'ity taona ity, hoy ny Antoko VHT. Nampakarina ho  20 tapitrisa Ariary, anto-bolan'ireo kandidà, araka ny tapaky ny Governemanta... ♦ Nikatona ny biraon'ny CNaPS rehetra nanomboka androany, noho ny fitokonan'ny mpiasa. Mbola tsy hanao afa-tsy fiandrasan-draharaha anatiny izy ireo rahampitso... ♦ Efa manomboka miverina ny rano amin'ny faritra iva, taorian'ilay fahatapahana tamina toerana maromaro teto an-drenivohitra...

♦ Manaraka akaiky ny zava-misy eto Madagasikara ny IDC-CDI, fikambanana iraisam-pirenena miara-miasa amin'ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Mbola betsaka ireo fanamby miandry an'i Madagasikara amin'ny lafiny demôkrasia hoy izy ireo... ♦ Mikasa ny hanondrotra saran-dalana ireo mpandraharaha misehatra amin'ny fitanterana amin'ny zotra nasiônaly sy ireo filohan'ny Kaoperativa. Nisy ny dinika nataon'izy ireo ka manodidina ny 10% izay fisondrotana izay... ♦ Niakatra ny taham-pahafahana fanadinana CEPE manerana ny nosy, farany teo. Nahatratra 76% izany tamin'ity taona 2023 ity... ♦ Lasibatry ny ora-mikija ny faritra avaratr'i Inde. 60 mahery no maty vokatry ny tondra-drano sy ny fihotsahan'ny tany...

♦ Tsy hanova ny tanjona efa napetraky ny CENI amin'ny fikarakarana ny fifidianana ny fihenan'ny vola ho ampiasainy... ♦ Ho entina amin'ny fihaonambe nasiônalin'ny FFKM izay hatao eto Antananarivo ireo angon-kevitra voarainy avy amin'ireo mpisehatra pôlitika... ♦ Nilaza omaly ireo mpiasan'ny CNaPs fa misy ny tsindry amin'ny fanendrena izay ho tale jeneraly vaovao. Hikatona moa ny CNaPs manerana ny nosy anio alakamisy... ♦ Nifarana omaly ny fihaonana an-tampon'ny OTAN notanterahana tany Vilnius any Lituanie. Diso fanantenana ny filoha Ukreniana volodymyr Zelensky...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...