♦ Nilaza hanolotra kandidà ihany koa ny Collectif an'ny Malagasy, tao aorian'ny fahavakisan'ny vondron'ny mpanohitra ho roa, ny herinandro teo... ♦ Nampifaly avanjana ny vahoakan'i Fianarantsoa ny UPAR any an-toerana omaly. Niteraka resa-be amin'ny tambajotran-tserasera ny fifamalian'ireo mpikambana teny ambiny sehatra... ♦ Niravona ny disadisa momba ny fizarana rano tany amin'ny Lemak'i Dabaraha hatramin'izay. Resaka fanararaotana pôlitika no nahatonga izany teo, raha ny fanazavan'ny mponina avy any an-toerana...
♦ Mbola tsy levona ao amin'ny Ranomasimbe Indiana ilay rivo-doza Eleanor. Tombanana hitondra rotsak'orana amin'iny morontsiraka atsinanana sy atsimo atsinanan'ny nosy izy, manomboka anio alatsinainy... ♦ Hiatrika ny Andron'ny Sekoly, ny mpianatra rehetra amin'ity herinandro ity... ♦ Nahatratrarana zava-mahadomelina mahery vaika "cocaïne", 64 kilao sy 32 grama tany Toamasina. Olona telo no nosamborin'ny Pôlisy amin'izao raharaha izao. Nalefa eny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy izy ireo...
♦ Nizara ho roa ny vondron'ny kandidà 11. Ny tsy fitovian-kevitra momba ny fitarihana ny vondrona no antony, hoy Andriamatoa Marc Ravlomanana, mpitarika ny Vovonana Firaisankina... ♦ Mila mampiasa vola eo amin'ny lafiny maha olona sy mampiroborobo ny famoroanana asa i Madagasikara, raha te hampihena ny tahan'ny fahantrana ao aminy, hoy ny Banky Iraisam-pirenena... ♦ Mitohy ny hetsika fankalazana ny faha-100 taona nijoroan'ny Antilin'i Madagasikara. Nitohy tamin'ny fambolen-kazo izany androany...
♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika ny 18 izay ahitana teratany Sinoa 4, ankoatra ireo nahazo fahafahana vonjimaika sy ireo mbola eo ambany fanaraha-mason'ny Fitsarana. Io no didim-pitsarana momba ireo olona 169 voatazona noho ny fanjonoana an-tsokosoko tany amin'ny fari-dranomasin'i Seychelles... ♦ Hanolotra kandidà iraisana amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ny Vovonana Firaisankina, izay najoron'ireo ampahany tamin'ny vondron'ireo kandidà filoham-pirenena farany teo...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco