♦ Tsy mihemotra amin'ny fampiharana ilay lalàna momba ny famosirana ireo lehilahy mpanolana ankizy tsy ampy taona ny fitondram-panjakàna na misy aza ny fanakianana ataon'ireo mpiaro ny zon'olombelona. Fanambarana nataon'ny mpitondra tenin'ny governemanta Rakotondrazafy Lalatiana... ♦ Hanohy ny asan'ny maha mpanolontsainan'ny tanànan'Antananaivo Renivohitra aza Ramatoa Ravololomanana Lalatiana. Tsy ho PDS ho an'ny tanànan'Antananarivo ny tenany araka ny nambarany omaly... ♦ Mbola hitoetra hatramin'ny anio ny alondrano any amin'ny morontsiraka atsimo andrefana sy atsimon'ny nosy. Mbola hahazo vahana ihany koa hatramin'ny anio ny oram-baratra ho an'ny afovoan-tany sy ny faritra afovoany atsinan'ny nosy...

♦ Tsy hihemotra amin'ny fampiharana ilay lalàna vaovao ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny famosirana ireo mpanolana ankizy, ny fitondram-panjakana... ♦ Tsy ho isan'ireo delegasiôna manokana, hitantana vonjy maika ny tanàn'Antananarivo Renivohitra, Ramatoa Lalatiana Ravololomanana... ♦ Mirongatra ny aretin'omby besoroka, any amin'ny Kaominina Andriandampy, tapany avaratry ny Disitrikan'i Betroka, raha ny tatitry ny Solombavam-bahoaka tamin'ny mpanao gazety...

♦ Misy ny fanazavan'i tompon'andraikitra momba ny disadisa nisy nandritra ny hetsika nataon'ny UPAR tany Fianarantsoa.. ♦ Nanamafy ny fahavononany hirotsa-kofidiana ho solombavambahoaka ao amin'ny distrikan'i Manjakandriana Dr Fidy Bariniaina. Lalana iray hahatongavana amin'ny fampandrosoana ity distrika ity hoy izy ny fanomezana fahefana ny eny ifotony mba hamaritra ireo laharam-pahamehana... ♦ Nivoaka ny didim-pitsarana ka niampy 2 taona an-tranomaizina indray ny sazin'i Mbola Rajaonah, noho ny fikasany handositra ny fonja... ♦ Mety hitarika any amin'ny ady lehibe fahatelo ny fikasan'ny tandrefana hampiditra ny tafikany any Ukraine, hoy ny mpitondra tenin'ny masoivohon'i Rosia any Frantsa...

♦ Ho mora amin'ny filohan'ny repoblika am-perinasa ny hanafoana ny antenimieram-pirenena na hahazo ny maro anisa eny Tsimbazaza aza ireo hery ivelan'ny fitondrana, hoy ny antoko Teza... ♦ Fampitàna traikefa amin'ny asa izay tsy mihoatra ny roa taona ihany no fahazoan-dalana omena ireo teratany vahiny hiasa eto Madagasikara, araka ny famerana avy amin'ny ministeran'ny asa... ♦ Tsy misy afatsy ny 13% amin'ny hetra ho an'ny faéndraofana ny fako no voaloa any amin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra tamin'ny taon-dasa. Hisy indray ny fikambanana tsy miankina alemana iray hanampy amin'ny fitantanana ny fako...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...