♦ Vola hatrany amin'ny 720 tapitrisa sy 5 miliara Ariary no giazan'ny ARAI, na ny sampan-draharaha misahana ny famerenana amin'ny fanjakana ny harena rehetra azo tamin'ny tsy ara-dalana, miampy fiara 182 sy fananana samihafa, nanomboka ny taona 2022 nijoroan'ity rafitra ity... ♦ Mahatratra 714.000 Dolara ny trosan'ny mpiasan'ny Air Madagascar amin'ity kaompaniam-pitaterana an'habakabaka ity. Karaman'ny mpiasa tsy voaloa tao anatin'ny herintaona, izay tsy maintsy voaloa mialoha ny faran'ity volana ity, hoy ny Filohan'ny Filankevi-pitantanan'ny Madagasacar Airlines...
♦ Mandeha be ny feo ankehitriny fa tsy ao amin'ny fonjaben'i Tsiafahy nitazonana azy, ny Solombavam-bahoaka teo aloha voafidy tany Mahabo, Andriamatoa Leva... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo zaza amam-behivavy tratry ny mosary sy ny tsy fahampian-tsakafo, any amin'ny Faritra Atsimo Atsinanana... ♦ Tsy mahazo rano ny 45%-n'ny velaran-tany fambolem-bary eto Madagasikara, izay efa mahatratra 8 hetsy sy iray tapitrisa hekitara...
♦ Ampanantsoina eny amin'ny IGE Antaninarenina anio, ny Filohan'ny HCDDED teo aloha. Hanaovana fanadihadiana ao amin'ny biraon'ny Bianco Mahajanga kosa, amin'ny talata izao, Andriamatoa Ahmad, Filohan'ny CAF teo aloha... ♦ Hanomboka anio, any amin'ny Faritra Anosy, ny fikaonan-doha ara-bola isam-paritra, hakana ny soso-kevitra avy eny ifotony, entina hanomanana ny LFI 2024... ♦ Nijanona ho fandrahonana fotsiny kosa ny fitokonana saika hataon'ny fikambanan'ny mpitatitra amin'ny fiara vaventy, ATC. Nanapa-kevitra ny tsy hitokona indray mantsy izy ireo...
♦ Voaantso hatao fanadihadiana eo anivon'ny Inspection Générale de l'État, ny Filohan'ny HCDDED teo aloha, Navony Pierre Le Noble... ♦ Nampidirina am-ponja ny olona dimy tamin'ireo valo voarohirohy tamin'ilay fahaverezana vola maherin'ny 388 tapitrisa Ariary, tao amin'ny Trésor tao Ambalavao, Faritra Matsiatra Ambony... ♦ Tsy nahafa-po ny fari-pahaizan'ireo mpianatra tamin'ireo sekoly nampiharana ilay teti-pivoaran'ny fanabeazana na ny PSE, tao anatin'ny efa-taona. Misy ny atrikasa hanaovana jery todika ny fampiharana izany, eo amin'ny lafiny teknika sy ara-bola...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco