♦ Nanome toromarika ireo lehiben'ny Distrika sy ny Préfet, ny Minisitry ny Atitany, hidina ifotony hanazava ny zava-bitan'ny fitondrana. Fampiasana ny fahefam-panjakana amin'izao mialoha ny fifidianana izao izany, hoy ny antoko Fiombonana... ♦ Olona 22 no nahiditra am-ponja vonjimaika, noho ilay raharaha fivoahan'ny laza adina mialoha ny fotoana, tamin'ny fanadinana Bakalôrea farany teo... ♦ Mbola tsy voavaha ny olana ao amin'ny CNaPS, na teo aza ny fehin-kevitra niraisan'ny mpiasa sy ny Minisiteran'ny Asam-panjakana, ny herinandro teo, toy ny Randrana Sendikaly...
♦ Kandidà faharoa efa nilaza ôfisialy ny handraisany anjara amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena, Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo, izay atolotry ny antoko MMM... ♦ Tsy hitsahatra ny handroso soson-kevitra amin'ny fanatsarana ny fandaharam-pianarana ny eo anivon'ny Sekoly Katôlika... ♦ Hitohy mandritra ny herinandro ny Oniversite maty eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, araka ny tapaky ny SECES Sampanana Antananarivo androany...
♦ Anio no hanainga any amin'ny Diôsezy nanaovany asa misiônera avy, ireo tanora mpivahiny masina, any Portugal; isan'izany ny tanora Malagasy, ka hihazo an'i Lisbonne, izay toerana hifamotoanan'ny tanora amin'ny Papa François... ♦ Voafidy ary voatendry ho "Administrateur Diocésain" an'ny Diôsezin'Ambatondrazaka i P. Andrianasolo Sata Jean Noël Peterson. Pretran'ny Diôsezin'Ambatondrazaka izy... ♦ Soja 10 taonina isan'andro no ho voahodina ho lasa menaka 3.300 litatra mahery, amin'ny alalan'ny ozinina, izay naterin'ny Ministry ny Fampiroboroboana ny Indostria, tany Anjozorobe ny sabotsy lasa teo...
♦ Niara-dàlana tamin'ny fametrahana araka ny fomban'ny Eglizy an'i Mgr Jean de Dieu Raolison, ho Arsevekan'Antananarivo, teny Somandrakizay, ny famaranana ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy Katôlika... ♦ Tsy fotoanan'ny fikotrehana fitondrana tetezamita instony izao, fa ny fifidianana no andrandrain'ny vahoaka Malagasy, hoy ny olom-boafidy miara-dia amin'ny fitondrana... ♦ Tsy marina ny vaovao naely tamin'ny tambazotra sôsialy fa mankasitraka ny hampakarana ny saran-dàlana ao an-drenivohitra, ny Solombavam-bahoakan'ny Boriborintany fahenina, na dia avy amin'ny mpanohitra aza...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco