♦ Maro ny tranga tsy fanarahan-dalàna sy osoka nandritra ny latsa-bato tamin'ny fifidianana solombavambahoaka androany... ♦ Nilaza ny CENI fa nilamina tamin'ny ankapobeny ny zotram-pifidianana. Voahaja ny naha fifidianana nandraisan'ny rehetra anjara, hoy ny mpandrindra maharitry ny firenena mikambana eto Madagasikara... ♦ Tapaka ny jiro tao an-drenivohitra sy ny manodidina, nifanandrify indrindra tamin'ny fotoana fanisam-bato izay fahatapahana izay...
♦ Sampana fanaraha-maso SAFIDY : 77,50% ny birao fandatsaham-bato nanaon'izy ireo fanaraha-maso no nisokatra ara-potoana... ♦ Nahitana fiakarany raha nitaha tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana novambra ireo olom-pirenena tonga nifidy ny tapak'andro maraina teo raha ny fanadihadiana natao... ♦ Maro ireo fandikan-dalàna hitan'ny delegean'ny vovonana firaisan-kina tamin'ny faritra sasatsasany teto amin'ny nosy, nandrisika hatrany ny olom-pirenena handeha hifidy anefa izy ireo...
♦ Tanterahina eto amin'ny tanin'ny repoblikan'i Madagasikara anio 29 mey, ny fifidianana solombavambahoaka ataon'ireo Malagasy ampy taona, mpifidy hatrany amin'ny 11.631.156 no andrasana handray anjara amin'izany... ♦ Manandanja ny safidin'ny tsirairay satria izay no hamaritra ny ho avin'ny firenena, ho tandroana ny tsiambaratelon'ny fifidianana mba tsy hisy teritery sy sakatsakana hoy ny filohan'ny CENI Dama Arsène Andrianarisedo... ♦ Handray ny andraikitra manandrify azy mba hizoran'ny fifidianana solombavambahoaka anatin'ny filaminana manomboka amin'ny andron'ny latsa-bato hatramin'ny fivoahan'ny vokatra ôfisialy eny amin'ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny EMMO-NAT...
♦ Misy amin'ireo sekolim-panjakàna hatao biraom-pifidianana no mbola ianaran'ny mpianatra anio... ♦ Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana hataon'ny pôlisim-pirenena manerana ny nosy mandritra ny androm-pifidianana rahampitso. Pôlisy maherin'ny 28.000 no hahetsika, hisahana izany... ♦ Efa nisokatra ny taom-piotazana lavanila maitso any amin'ny Faritr'i Diana. 45.000 Ariary ny hividianan'ireo orinasa mpividy ny isan-kilao, miampy prime BIO 16.250 Ariary... ♦ Mitohy hatrany ny fanafihana ataon'ny tafika israeliana any Rafah, atsimon'ny faritr'i Gaza. Olona 40 isa eo no namoy ny ainy, vokatr'izany omaly, 249 isa hafa naratra...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco