♦ Nandao tanteraka ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena, Ramatoa Razanamahasoa Christine, ao anatin'izao famaramparanana ny fe-potoam-piasan'ny Solombavam-bahoaka izao... ♦ Mbola mihisatra ny ady amin'ny kolikoly eto Madagasikara, hoy ny Filohan'ny Kômity Mitandro ny Fahitsiana, na ny CSI... ♦ Mbola misy fanantenana kely ny hahafahan'ny Barea milalao amin'ny kianja eny Mahamasina amin'ny volana jona, hoy ny mpamakafaka baolina kitra, Fenosoa Razafimamonjy...

♦ Namindra fahefana tamin'ny Filoha mpisolo toeran'ny Antenimeram-pirenena androany, Ramatoa Christine Razanamahasoa. Tandrovy mafy ny fahamarinana na hihatra aman'aina aza, hoy izy... ♦ Tsy manaiky ny hanaovana ho fitaovana pôlitika ny tontolon'ny fampianarana, ny Sendikàn'ny mpiasa eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Nanao fanambarana teny Ambohijatovo izy ireo androany... ♦ Hahazo mpitantana vaovao ny orinasa JIRAMA amin'ny volana mey izao. Manam-pahaizana avy atsy Rwanda no nambaran'ny Filoham-pirenena fa hitantana ny Jiro sy Rano Malagasy...

♦ Lesoka mila herenina ho an'ny mpiasam-panjakàna ny tsy fanajàna ny toerana hanatanterahana ny asa hoy ny sendikàn'ny mpiasa mpandraharaha sy teknisiana eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo na ny SPATUT... ♦ Miantso ny kandidà amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao hanaja ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra ny CENI... ♦ Mangataka ny hanokafana orinasa manodina menaka amin'ny alalan'ilay tetik'asa Taninketsa Indostrialy ny mponina sy ny mpandraharaha ao Belo ambonin'i Tsiribihina, distrika mamokatra voanjo 500 taonina isan-taona... ♦ Hanefa ny adidiny hifidy izay ho solombavambahoaka ny vahoaka indiana manomboka rahampitso...

♦ Notanterahana omaly tany amin'ny OVEC manerana ny nosy ny antsapaka ho an'ny laharan'ny kandidà ao amin'ny bilta tokana amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny volana mey ho avy izao... ♦ Notanterahana tany Toamasina ny filan-kevitry ny ministra, ivelan'Antananarivo. Any Antsiranana indray no hanaovana ny filan-kevitry ny ministra mitety faritra manaraka... ♦ Nanomboka nanohy ny asa fanamboarana ny lalana miainga eny Andranotapahana mihazo an'Ivato indray ny orinasa nahazo fifanarahana amin'ny Fanjakàna hanao izany asa izany... ♦ Namoaka sazy vaovao ho an'i Iran noho ny fanafihana nataony tany Israël ny eo anivon'ny vondrona eraopeana...

[Miara-dàlana] Zoma 7 aogositra 2026

• Tontosa ny 4 sy 5 aogositra ny fihaonana voalohany nataon'ny SCEAM ho fanomanana ny "Fihaonam-ben'ny Eglizy 2028"... •Tanterahana ao Befandriana Atsimo ny JMJ 7 ao amin'ny Diosezin'i Morombe... •Fanehoana fanantenana ny vavaka hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...