♦ Nirehitra androany tamin'ny 3 maraina ihany koa ny SRMV ao Tsiroanomandidy... ♦ Nanamafy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy fa ani Madagasikara ireo biby naondrana an-tsokosoko tany Thaïlande. Hihazo an'ity firenena ity Andriamatoa Ministra amin'ny herinandro hitsidika... ♦ Nihetsika ny tany halina tamin'ny 11 ora sy 03 minitra... ♦ Mahazo vahana ny famonoana kandidà any Mexique, tafakatra 25 isa, ireo maty roa andro mialoha ny fifidianana...

♦ Mafana ny toe-draharaha tany Tsihombe vokatry ny tsy fitovian-kevitra amin'ny voka-pifidianana ka niafara tamin'ny fandrehetana trano... ♦ Miisa roa ireo faritra mando eto Antananarivo. Hampahafantarina amin'ny alalan'ny horonan-tsary eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina ao anatin'ilay hetsika Haody ry Gasikarako izany anio maraina... ♦ Hohamafisina ny fanatsarana ny serasera sy ny fampitam-baovao manoloana ny fankalazana ny fetim-pirenena amin'ity taona ity, araka ny nivoitra tamin'ny atrikasa notarihan'ireo mpikarakara ny hetsika... ♦ Akon'ny korontana tany Nouvelle-Calédonie, vola hatrany amin'ny iray lavitrisa Euros no ilaina ho fanarenana ireo orinasa maherin'ny 500 simba sy rava...

♦ Nankalazaina tany amin'ny Saha Maitsoanala any Mandraka Ambatolaona Manjakandriana, ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny karazan-java-manana aina... ♦ Mbola misy olona roa karohina, voasaringotra tamin'ilay raharaha fanondranana an-tsokosoko sokatra sy varika tany Thailande... ♦ Mbola azo hitarina hatrany amin'ny 10 tapitrisa hekitara ny velaran-tany azo volena eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny tantsaha ao anatin'ny sehatry ny famokarana tantanam-pianakaviana...

♦ Mitarika amin'ny ampaham-bato azo, any amin'ny Distrika maro eto amin'ny nosy, ny kandindàn'ny IRMAR araka ny fironana voaray avy eny amin'ny CENI. Misy amin'ireo Solombavam-bahoaka nirotsaka amin'ny alalan'ny Firaisankina no tsy ho tafaverina eny Tsimbazaza... ♦ Mitaraina amin'ny tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana farany teo ny kandidà tao amin'ny Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra, Ramboasalama Emilien. Miahiahy amin'ny fanodinana ny vatony kosa ny kandidà tsy miankina ao Belo amoron'i Tsiribihina...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...