♦ Nidina teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tolak'andro teo. Nilokaloka ireo tompon'andraikitra voakasika mivantana fa hanatanteraka ny fanatsarana ilaina hanafoanana ny kolikoly... ♦ Tsy misy miova ny fepetra hisitrahana ireo trano anatin'ny fandaharan'asan'ny fanjakana Malagasy, napetraka amin'ny faritra samihafa eto amin'ny nosy... ♦ Naotolotra ny fampanoavana androany ny raharaha Miah Raveloson, ilay tovovavy maty voadonan'ny fiara teny Nanisana ny 17 jolay. Ny tovolahy sakaizany ihany no nahavanona ny famonoana...

[audio src="/images/sounds/jsr-20240723.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...