♦ Naneho ny fahavononany handray anjara amin'ny fikaonan-doham-pirenena ny antoko AREMA. Nilaza ny handrotsaka kandidà amin'ny fifidianana amin'ny taona 2023 ity antoko ity, araka ny nambaran-dRamatoa Annick Ratsiraka... ♦ Tsy vahaolana pôlitika pôlitisianina no hahavaha ny olan'ny firenena amin'izao, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa... ♦ Nahazo "kits" avy amin'ny fanjakana ireo tanora rehetra mpizaika amin'ny JMJ Mada, hotanterahana any Antsirabe. Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy, ny faran'ny herinandro teo, ireo fitaovana ireo...

♦ Natolotra ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina tamin'ny fomba ôfisialy androany, tany Vienne, Autriche, ny loka maha tompon-dakan'ny fampiroboroboana ny indostria aty Afrika na IDDA III, izay nokarakarain'ny ONUDI... ♦ Hanomboka amin'ny faran'ny taona ny tetikasa fampiasana angovo madio amin'ny fahandroan-tsakafo sy ny "Kit solaire" ho an'ny Malagasy hatrany amin'ny 3 tapitrisa, izay hanampian'ny OPEC FUND an'i Madagasikara...

♦ Hotanterahana anio ny lalao manasa-dalana eo amin'ny Afrobasket latsaky ny 18 taona, sokajy lehilahy. Marobe ireo mpijery efa nilahatra tapakila hatramin'ny maraina, hijery ny fihaonana eo amin'ny Ankoay sy ny ekipan'i Mali... ♦ Fanehoan-kevitra momba ny fampiharana ny PSE... ♦ Tompon'antoka voalohany amin'ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalana ireo mpamily, raha ny fanadihadiana natao tamin'ny tompon'andraikitry ny Maki eny Andohatapenaka...

♦ Tsy miankina amin'ny krizy ny firosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena, ary mihatery ny fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara, hoy ny firaisamonim-pirenena Rohy, raha nanao tombana ny zava-misy eto amin'ny firenena... ♦ Tsy tokony hokorontanina sy hosimbaina noho ny tombontsoa pôlitika sy ny fitiavan-tena ny sehatry ny lavanila eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... ♦ Handray fepetra amin'ny fanaraha-maso ireo seranam-piaramanidina sy ireo toeram-pitsaboana ny fitondram-panjakana, hitiliana ny "Variole du singe"...

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...