♦ Nihena ny tahan'ny fahasimban'ny ala tao amin'ny tandavan'ala Ankeniheny-Zahamena sy Ambositra-Vondrozo, araka ny tatitra nivoaka omaly. Izay no vokatra azo tamin'ny tetikasa Tontolo Voajanahary Lovain-jafy... ♦ Natomboka tany Toamasina omaly, ny fikaonan-doha isam-paritra momba ny fikarohana siantifika sy ny haivao... ♦ Tsara fanombohana ny ekipa Ankoay Malagasy, mandray anjara amin'ny Afrobasket U-18 lehilahy. Resiny omaly ny ekipa avy any Bénin...

♦ Nihena ny tahan'ny fahasimban'ny ala tao amin'ny tandavan'ala Ankeniheny-Zahamena sy Ambositra-Vondrozo, araka ny tatitra nivoaka androany. Isan'ny vokatra azo tamin'ilay tetikasa Tontolo Voajanahary Lovain-jafy any amin'ny ilany atsinanan'i Madagasikara izany... ♦ Milaza ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena roa, fa mikorosy fahana ny seha-pihariana lavanila. Maniry fanovana sy vahaolana haingana izy ireo... ♦ Tsy ho fampiroboroboana ny seha-pihariana ihany ny Fier Mada, fa natao ihany koa hisarihana ny famoronana sy ny fampiasam-bola. Andro fahatelo ny androany...

♦ Maherin'ny roa alina ireo mpivahiny manerana an'i Madagasikara, nisoratra anarana ho any Antsirabe mandritra ny JMJ andiany faha-10, hotanterahana any an-toerana... ♦ Hanomboka amin'ny 3 ora folakandro eny Mahamasina anio, ny hetsika fanombohana ôfisialy ny Afrobasket ho an'ny latsaky ny 18 taona. Hiakatra kianja voalohany ao aorian'izay ny Ankoay, hifandona amin'ny ekipan'i Bénin... ♦ Tontosa omaly ny dinika savaranonando teo amin'ny solontenan'ny sendikan'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny sy ny avy amin'ny Fiadidiana ny Repoblika...

♦ Miantso ny fitsarana mba hampihatra am-pahamarinana ny lalana mifanandrify amin'ireo namono olona telopolo mahery tany Ambolotarakely ny antoko Malagasy Miara-Miainga na ny MMM. Antoka iray ahafahana mamerina ny fahatokisan'ny olom-pirenena Malagasy ny fitsarana izany, hoy ity antoko ity... ♦ Efa misy ireo miomana amin'ny fanaovana hosoka amin'ny fifidianana ho avy, hoy ny antoko Malagasy Tonga Saina na ny MTS... ♦ Nanomboka ny folakandro teo teny Mahamasina ny Afrobasket sokajy lehilahy, latsaky ny 18 taona. Rahampitso no hiakatra kianja voalohany ny Ankoay, ekipa malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...