♦Tsy azo ifamezivezena ny miditra ao Analakely, hentitra amin'ny sakana ireo mpitandro filaminana... ♦ Efa miala eny amin'ireo toeram-piaingana amin'ireo toerana voatondro ny hetsiky ny vondron'ireo kandidà ao an-drenivohitra ao, misy amin'ireny toerana ireny no nahitàna ireo mpanohana ny kandidà laharana fahatelo... ♦ Mbola tombanan'ny météo hitohy anio ny firotsahan'ny oram-baratra ho an'ny eto amin'ny Faritra Analamanga... ♦ Mpanao gazety iray avy ao amin'ny Reuters no maty nandritra ny zera baomba nataon'Israely tao amin'ny sisin-tanin'i Liban...
♦ Tsy azo idirana ao amin'ny kianja 13 mey, ary misy ireo toerana tsy azo itangorongoronana hoy ny prefet an'Antananarivo. Manamafy ny fisian'ny hetsika ary hiainga amin'ny toerana fito (7) samy hafa ny hetsiky ny vondron'ireo kandidà h filoham-pirenena anio... ♦Tsy misy krizy eto Madagasikara fa azo fehezina ny zav-misy hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Miantso ny mpisehatra mba handinika hamahana izao olana misy izao ny KMF/CNOE...
♦ Nolanian'ireo Loholona IRD, ho Filohan'ny Antenimieran-doholona androany, ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Nilaza ho tsy miamboho adidy izy, raha omena ny fahefana hitantana vonjy maika ny firenena, saingy tsy hiady ny hahazoana izany... ♦ Voasoroko ny fifandonana teo amin'ireo samy mpomba ny kandidà andaniny sy ankilany, teny Ampasapito androany. Afaka nanao ny diabe am-pilaminana nihazo an'i Manjakaray sy Ambodivona, ireo kandidà 11 sy ireo mpomba azy...
♦ Nanao antso avo ny vahoaka Malagasy handala mandrakariva ny fiombonana sy hiaro ny aina ny Vaomieran’ny Eveka momba ny rariny sy ny fiadanana… ♦ Hanatanteraka zaikabe ny FTK Arsidiosezy Atsimo Atsinanana ny 27 ka hatramin’ny 29 ôktôbra 2023… ♦ Natokana hivavahana sy hifadian-kanina ho an’ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana ho an’ny Tany Masina ny 17 ôktôbra 2023…
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco