♦ Nandefa taratasy fankaherezana sy fiombonana ho an'ireo Evekan'ny Nosy Maurice sy ny Nosy La Réunion ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara manoloana ny takaitra navelan'ny rivo-doza Belal... ♦ Hotohizana ireo tetikasa entina hanatsarana ny famatsiana angovo eto Madagasikara hoy ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'Afo Olivier Jean Baptiste... ♦ Nilaza ho niharan'ny fandrahonana ataon'ireo tsy manara-dalàna amin'ny fanotorana tany ao an-drenivohitra ny Ministra teo aloha Pierre Houlder... ♦ Lany ho filohan'i Comores tamin'ny fifidianana fihodinana voalohany amin'ny taham-pandraisan'anjara an'ny mpifidy 16,30% i Azali Assoumami...

♦ Nanoratra taratasy ho an'ny Evekan'ny Nosy Maurice sy La Réunion ny Evekan'i Morondava, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina. Taratasy mankahery azy ireo sy maneho fiombonana noho ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Belal... ♦ Mahaleo tena amin'ny fandraisana andraikitra sy fanapahan-kevitra manomboka izao ny Zandarimariam-pirenena. Hiova ny paikady hiatrehana ny tsy fandriam-pahalemana, hoy ny Minisitra delege, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andry...

♦ Hiara-hiasa hametraka paik'ady hamerenana ny fandriam-pahalemana izay mampikaikaika ny vohoaka ny mpitandron'ny filaminana hoy ny ministry ny fiarovam-pirenena... ♦ Distrikan' i Mandritsara : Ahiana hitoka-monina noho ny fahasimban'ny lalam-pirenena faha-32... ♦ Mety hisy faritra andro ratsy hiforona ao amin'ny Ranomasimbe Indiana amin'ity faran'ny herinandro ity... ♦ Mananontanona ny Nosy Maurice indray ankehitriny ilay rivo-doza Balal rehefa avy nandravarava izay nolalovany tao amin'ny Nosy La Réunion...

♦ Tsy misy lalàna manery ny tsy maintsy nanaovan'ny ministra tsirairay fihanianana fa safidy manokan'ny filoha Andry Rajoelina no nampanao izany... ♦ Tsy azo lazaina ho fahabangan-toerana ny fahataperan'ny fe-potoam-piasan'ny Ben'ny Tanàna amin'izao, tsy tokony ho azo ampiasaina araka izany ny fametrahana ny filohan'ny delegasiônina manokana hoy ny mpahay lalàna...  ♦ Distrika Belo-Tsiribihina : nikatona nanomboka omaly mandritra ny fotoana tsy voafetra ny sekoly rehetra any an-toerana noho ny resaka fakana ankeriny mpianatra... ♦ Nanao antso amin'ny hanaovana hetsika fitadiavam-bola ho fanampiana ireo lasibatry ny ady ao Ukraine ny vondrona iraisam-pirenena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...