• Tany amin'ny 620 km atsinanan'Antsiranana no nisy ny foiben'ilay andro ratsy miforona ao atsinanan'ny Faritra Diana, ny maraina teo. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan'Antsiranana sy Antalaha izy rahampitso maraina... • Afaka miverina ny fifamoivoizana an-dranomasina mampitohy an'i Madagasikara sy i Comores, araka ny tinapaky ny Filankevitry ny Minisitra, any Mahajanga... • Tena ilaina, hoy ny sendikà SIM, ny fampifanarahana ny rafi-pampianarana amin'ny filan'ny orinasa...
• Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ny kristianina katolika hamonjy ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faha-2... • Mangataka ny hamiliana ny fanitaran-dalana ireo mponina voakasik'izany ety amin'ny Kaominina Ivato... • Nanome toromarika ireo hery fiarovana sy filaminana ao Toamasina ny EmmoNat, hisamborana faran'izay haingana ireo nanatsatoka antsy an'i Tahiana...
• Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ny Andro Nasiônaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faha-2 hatao any Morondava... • Mangataka ny hamiliana ny fanitaran-dalana anatin'ny tetikasam-panjakana, ireo mponina voakasik'izany ety amin'ny Kaominina Ivato... • Misy andro ratsy andalam-piforonana ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Vinavinaina ho lasa rivodoza ato anatin'ny 48 ora izy io...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco